Auteur/autrice : Adnews

Minisitra Mara Volamiranty Donna : “Ny vokatra vonjimaikan’ny Ceni no azo raisina”

“Mandeha amin’ny fironan’ ny voka-pifidinana isika amin’ izao. Ny fironana ekena amin’ izao dia izay avoakan’ny Ceni ihany. Ny ankoatra an’izay, fanakorontanana sain’ny olona sy paipaikady politika tsy hisian’ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny dikan’izay: ny vokatra vonjimaika avoakan’ny Ceni ihany no azo raisina”. Io ny fanazavan’ny […]

Fandinihan-tena izao

  Mba vita eo amin’izay ny tabataba mameno tanàna, ny fandotoana tanàna amin’ny petadrindrina… ? Na mba hisy amin’izay ny fitoniana politika. Eny, na amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao izao ihany aza. Fitenin’ny mpanao politika sasany ny hoe tsy misy izay fiatoana politika, fa […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Misy fiovana lalina eto amin’ny tany sy ny fanjakana”

Nitondra ny fomba fijeriny amin’ny fizotry ny raharaham-pirenena ny praiminisitra, Ntsay Christian. ”Misy fiovana lalina eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy izy. “Fotoana toy izao no ahazoantsika mamerimberina hatrany fa misy fiovana lalina dia lalina eto amin’ny tany sy ny fanjakana amin’izao fotoana izao, eo ambany fitarihan’ny filohan’ ny […]

Halatra omby : lavon’ny bala i Varira

Voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka ny dahalo raindahiny mpangalatra omby tao amin’ny fokontany Emalio, kaominina Ambatoabo, distrikan’i Taolagnaro, afakomaly. Naharay loharanom-baovao momba ny trangana halatra omby ny zandarimaria miasa ao Tanambao. Nidina an-kianja, tratra teo am-pandroasana omby i Herinay na i Varira. Dahalo raindahiny efa ikoizana amin’ny halatra omby […]

Hasarotam-piaro : lehilahy notondraham-badiny rano mangotraka

Notondraham-badiny rano mangotraka ny tarehy sy ny vatan’ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Nandritra ny fifampiresahan’izy roa, nangataka ny findain-dramatoa io rangahy vadiny io. Nanomboka nanda anefa ilay vehivavy. Nanohitra ny tsy fahatokisam-badiny azy izy. Tsy nanaiky, nikiry ary nanery an-dravehivavy hanome ny finday teny aminy […]