Auteur/autrice : Adnews

Rajoelina Andry : «Miroso hatrany isika ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara»

“Aleo hifanakaiky, aleo hiara-kiasa” hoy ny Filoham-pirenena, nandritra ny fidinana ifotony nataony omaly. Distrika sy kaominina maro no efa nisitraka izany fidinana ifotony izany. Hitohy hatrany izany ho fijerena ny mararin’ny vahoaka, araka ny nambarany. Tany Vohibato sy Ikongo ary Ivohibe indray ny filohan’ ny repoblika, Rajo­elina Andry, no nanatanteraka […]

Trafikana harem-pirenena : lehilahy nahatrarana sokatra 376

Voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy tao Sanfily Toliara, ny lehilahy iray mpanao trafikan-tsokatra, omaly. Nitondra gony sy sakaosy io lehilahy io. Nikasa hihazo ny renivohitra izy. Naharay loharanom-baovao anefa ny mpitandro filaminana fa entana mampiahiahy ireo nentin’io lehilahy io ireo. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny fisavana ny entany […]

Hita tao anaty dobo : tangalamena nisy namono

Hita faty novonoina ta­min’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina, afakomaly, ny Tangalemana iray 70 taona. Natsipin’ireo nahavanon-doza tao anaty dobo ny razana. Teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Magnano bingy , iray kilometatra tsy hidirana ny renivohitry ny kaominina ambanivohitr’i Maromitety no nahitana ny fatiny efa natsingevan’ny […]

Ambohitrimanjaka : fiara nitsoraka tany an-tanimbary

Nitrangana lozam-piarakodia indray teny Ambohitriman­jaka, omaly tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Fiara marika Mercedes iray no nivadibadika tany an-tanimbary. Naratra mafy ny mpamily, tsy vitan’izay fa mpandalo iray voafaokan’ ilay fiara ka naratra mafy ihany koa. Nandalo an’Ambohitri­man­jaka hihazo an’Andranotapahana ity fiara ity kanjo tra-doza tampoka. Voalazan’ireo olona nahita […]

Nandroba sady nanolana : nalefa eny Tsiafahy i Livakely, jiolahy raindahiny

Nokarohina nandritra ny herintaona, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao Manjakandriana voasambotra. Nalefa eny Tsiafahy hiandry ny fotoam-pitsarana azy. Notanana vonjimaika eny Tsiafahy, ny jiolahy raindahiny, fantatra amin’ny solon’anarana Livakely, afakomaly. Tompon’antoka sady atidoha nikotrika ny fanafihana mitam-piadiana niseholany tao amin’ny kaominina Manja­kandriana, ny volana desambra 2023 sy janoary 2024 […]