Manohy ny diany mianandrefana amin’ny hafainganam-pandeha 20 km isan’ora ilay rivodoza mahery vaika Chido, araka ny filazana manokana momba ny rivodoza. Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro, tany amin’ny 488 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foibeny. 210 km isan’ ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina […]
Auteur/autrice : Adnews
Sambo Africa Mercy: lasa niatrika fikojana fa hiverina
Ho fikojana ny sambo mpitondra fitsaboana sy fandidiana, hanatanteraka fanamarinana ny fiasan’ny sambo iray manontolo ny tomponandraikitra ka handao an’i Madagasikara aloha ny Africa Mercy, anio. Hiverina hanohy ny asa fitsaboana kosa ny mpiasa rehetra ny volana febroary 2025, araka ny fampitam-baovao niraisan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mercy ships. Mitohy […]
Nihena ny fanoratana ara-panjakana ny zaza: Tokony halavaina ny fotoana fanambarana fahaterahana
Raha tsy misy ny ezaka ataon’ny firenena aty Atsimon’i Afrika, hahatratra 100 tapitrisa ny zaza tsy hisy ara-panjakana satria tsy voasoratra eo am-pahaterahana aorian’ny taona 2030, araka ny tatitry ny Unicef ho an’ny taona 2024. Zaza latsaky ny 5 taona mahatratra 500 tapitrisa no voasoratra ara-panjakana teo am-pahaterahana tao anatin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hisy velakevitra arahina adihevitra eny amin’ny Institut de civilisations, Musée d’art et d’archéologie Isoraka, anio amin’ny 10 ora maraina. Mahakasika ny « Vadin’Anarandray » eo amin’ny Betsileo ny lohahevitra hofakafaikana, tarihin’ny Dr Rakotorahalahy Njaka Elisabeth, mpikaroka ao amin’ny ICMAA. Heverina fa mahaliana ny maro, satria mahakasika rafi-piarahamonina ny lohahevitra. Ingahibe Tselonina, etsy […]
« Antsika hisôma »: Hisongadina ny fanodinana ny plastika
Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny « Antsika hisôma ». Hetsika tanterahina anio sy amin’ny 20 desambra izao. Ny fikambanana Kolo Kitra sy ny Madagaslam, miaraka amin’ny IKM no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany. Kendrena ao anatin’izany ireo ankizy sy tanora. Atrikasa, vaky boky, fifaninanana, fampianarana hanodina harona […]




