Auteur/autrice : Adnews

Akany Fialofana Ambalavao Isotry: Mpibata entana sy mpivarotra harona plastika ny ankamaroany

Toerana itobian’ireo tsy manan-kialofana ny akany Fialofana etsy Isotry. Olona tena sahirana mivelona amin’ny asa an-tselika, misakafo tapakibo na mandry fotsy mihitsy aza no ao. Olona 400 mahery no matory isan’alina, ao amin’ny akany Fialofana, ex Madcap, etsy Ambalavao Isotry, raha ny fanazavana nentin’ny lehiben’ny akany, Ihaga Mahery. Vehivavy mananontena […]

Diaben’ny SPSM: Navondrona ny mpiasa rehetra

Nanatanteraka diabe niainga teo amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hatreny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny fikambanana SPSM, omaly. Fikambanana ivondronan’ny mpiasa rehetra misehatra amin’ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ihany koa ny fanolorana amboara ireo fikambanana nandresy tamin’ny lalao fanatanjahantena nokarakarain’izy ireo teto Analamanga. Nanolotra ny loka ho azy ireo, tamin’izany, […]

INDRAY MIJERY

Nandefa lakana haingam-pandeha roa, ny iray avy any Sofia ary ny iray avy aty Antananarivo, ho any Ambilobe ny BNGRC hitatitr’olona. “Efa nisokatra ny deviation, passage à gué, ao amin’ny renirano Mahavavy, ahafahan’ireo fiara sy olona miampita”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC. “Roa ka hatramin’ny dimy ny rivodoza mety handalo […]

«Village Engage For Change»: Nampiranty ny sehatrasa sosialiny ny Orange

Nisokatra, omaly, eo amin’ny Orange Digital Center Madagascar, Gara Soarano, ny fampirantiana ny “Village Engage For Change”, tanàna miroso amin’ny fiovana miaraka amin’ny orinasa Orange Madagascar. Haharitra roa andro ary misokatra ho an’ny daholobe ny hetsika, hanasongadinana ny sehatrasa sahaniny momba ny fiovan’ny toetr’andro, fahasalamana, ady amin’ny kolikoly ary ny […]

Fihotsahan’ny tany sy vato: Tokantrano 400 tandindomin-doza

Tsy miova ireo toerana misy vato atahorana sy tany malemy ahina hihotsaka, arakaraka ny habetsahan’ny orana. Natomboka ny fametrahana ny saina mena rehefa nivaly ny fanadihadiana avy amin’ny Ioga. Tsato-kazo misy saina mena 500 no napetraka amin’ny toerana rehetra mety ahina hihotsaka mandritra ny fotoam-pahavaratra 2024-2025 eny amin’ny fokontany fito […]