“Tsy afa-mitsara na manasazy ny Ceni “, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny karazana fitarainana voarain-dry zareo momba ny fandikan-dalàna ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Tsy manana fahefana hanasazy ny Ceni, fa manao ny asa firaketana an-tsoratra ary mitondra izany any amin’ny rafi-pitsarana. […]
Auteur/autrice : Adnews
Mifamita-tena
Hatramin’izao, tsy mahafa-bela ny fomba fanaovan’ny sasany fampielezan-kevitra? Fampielezan-javatra raha ny marina: tsipy kely, kitolotolotra. Karazana dona tapany hahazoana erany. Eny, na firy tao-maty aza no nifampitenenana ny amin’izay. Misy mahita sy mahazo tombony hatrany… Famitahan-tena raha ny marina. Na ho an’ny mpanome io, na ho an’ny mpandray. Andaniny, […]
Namearison Robert : “Tsy mijery izay azo tanterahina amin’izay lazainy ny kandidà”
Tokony hisy fijery hafa ny fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Namearison Robert. ”Mamono tena tsikelikely ny antoko politika”, hoy izy. “Asa, na tsy hain’ny kandidà hoe: inona ny azon’ny kaominina atao? Indraindray toa te hamaha ny olan’ny fiarahamonina ny kandidà, nefa hadinony fa tsy ao anatin’ny […]
Nofonjaina eny Antanimora : Jiolahy tratra nilanja ilan’omby
Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra omby. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, noho ny firongatry ny halatra omby. Ny 22 novambra 2024 tamin’ny 2 ora maraina, jiolahy iray tratra nitondra henan’omby iray manontolo tao Ambohibao, […]
Bel’Air -Talatamaty : mpitaingina kalesa maty voahosin’ny kamiao
Nipotsaka ny atidohany, niparitaka tamin’ny arabe ny vatany, ka maty tsy tra-drano ny lehilahy iray teny amin’ ny fokontany Amborompotsy- Bel’Air, kaominina Talatamaty, ny marain’ny sabotsy 23 novambra teo, tamin’ny 11 ora. Mpandalo eny amin’io lalana io ity tra-doza ity. Nitaingina tao anatin’ny kalesa ilay lasibatra, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. […]




