Auteur/autrice : Adnews

Basikety : mpitsara 16 nahazo diplaoma

Miroso mankany amin’ny fampandrosoana ny lafiny fitsarana lalao ny Federasiona malagasin’ny basikety. Nandritra ny lalao famaranana ny fifaninanam-pirenena N1A, teny Mahamasina, no namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpitsara miisa 16 mianadahy. Ankoatra ny mari-pankasitraha, nahazo mari-pahaizana avy amin’ny Fiba Afrika ihany koa izy ireo. Tsiahivina, niatrika fiofanana sy fanadinana […]

Baolina kitra – Barea de Madagascar : nanatevina ny ekipa teknika i Thomas Gornouec

Tonga manampy ny mpanazatra amin’ny fikarakarana ny tanjak’ireo mpilalaon’ny Barea, any Maroc, i Thomas Gornouec. Hiara-miasa amin’ny Me Bebeto izy mandritra ity lalao hifanandrinana amin’ny Scorpions de Gambie ity. Tsy ny mpilalao ihany no nohatevenina amin’ity lalao roa hikatrohana amin’ny Scorpions an’i Gambie ity fa ny ekipa teknika ihany koa. […]

«Festival des livres Thrillers» : miditra amin’ny andiany fahatelo

Hotanterahina ny 26 hatramin’ny 31 oktobra 2024, eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny «Festival des livres Thrillers», andiany fahatelo. Hetsika karakarain’ny avy eo anivon’ny AFT Andavamamba, hanomezana sehatra ny haikanto samihafa, sokajy mampatahotra. Hita ao anatin’izany ny boky, horonan­tsary, sary isan-karazany ary tantara araka ny karazany avy. Ankoatra […]

Baolina kitra : nitambatra ny AS Avenir du Sud sy ny AS St Anne

Araka ny vaovao voaray omaly, nitambatra ho iray amin’ity taom-pilalaovana manaraka ity, ny AS Avenir du Sud Anosy, tompondakan’ny diviziona faharoa nasionaly «World Cola Ligue des Champions D2 Nationale» sy ny AS St Anne, solontenan’Analamanga tamin’ny fifanintsanam-pirenena, «D2 Nasionaly» farany teo. Raha ny fanazavana azo, lasa hoe AS Avenir St […]