Auteur/autrice : Adnews

Andrianainarivelo Hajo : “Tsy ara-dalàna ny nanaovana ordonance”

Nitondra ny heviny manoloana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. “Tsy ara-dalàna tanteraka ny nanaovana iny ordonance iny. Efa nitondra fanazavana mom­ba izany ny eo anivon’ny HCC tamin’ny 2018. Anisan’ny mpikambana tao amin’io Andrimpanjakana io ny filohan’ny Ceni tamin’izany”, hoy izy. Notsiahiviny ny voalaza tamin’izany fa […]

Tan-dalàna amin’izay…

  An-dalana ny famoahana valim-pifidianana vonjimaika tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna amin’izao. Hanao ahoana? Mba ho tan-dalàna amin’izay… Fa tsy hoe tsy manaiky izay resy, na manjakazaka izay mandresy. Misy aza ireo fantatra izao fa tsy ho voafidy, nefa midrikina fotsiny izao fa misy hosoka sy hala-bato ny […]

Voka-pifidianana vonjimaika farany: Lasan-dRamanantsoa Harilala Antananarivo

Nivoaka, omaly, ny voka-pifidianana vonjimaika farany avy amin’ny Ceni. Lany ho ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Harilala Ramanantsoa. Lah. 1 Iarivo Mandroso, lisitra tarihin-dRaza­namasy Ndriana, nahazo vato 2 197 (0,89%); lah. 2 Tia Tanindrazana, Razafinjoelina Tahina, nahazo 29 568 (11,99%); lah. 3 RTL, tarihin-dRandriamampionona Joseph Martin 3 926 (0,59%); […]

TSELATRA

Nofelahin’ny renim-pianakaviana iray ny reseveran’ny taxi-be Zotra F mampitohy an’i Cnaps sy Ambatofotsy, teny Andoharanofotsy, omaly. Tsy nanaiky saran-dalana 600Ar ilay resevera fa nolazainy fa 1 000Ar ny saran-dalana Andoharanofotsy hatreny amin’ny Cnaps. Nentin-katezerana ilay vehivavy satria notereny hivoaka rehefa tsy handoa 1 000Ar. Raikitra ny fifandonana ka nahazo ny tefaka mandrivorivo […]

Hivarotra jirofo : Lehilahy nahatrarana basy sy bala tsy ara-dalàna

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra mpikaroka fandikan-dalàna ao amin’ny seranan-tsambo Toa­masina, ny 19 desambra 2024 tamin’ny 8 ora sy sasany alina, ny lehilahy iray nitondra basy. Nandritra ny fisavana teo amin’ny vavahady iray ao amin’ny seranan-tsambo no nahatrarana ity lehilahy iray 34 taona niaraka tamin’ny basy PA marika […]