Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Natao tao amin’ny kianja Malacam Antanimena, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, amin’ny taranja rugby, federaly II, « XXL Top 20 ». Noresen’ny ekipan’ny CRAI Ambalavao Isotry, tamin’ny isa 20 no ho 15, ny klioban’Ikopa. Tsiahivina fa izay laharana roa voalohany amin’ity Top 20 ity no miakatra Top 12. Notanterahina ny faran’ny […]

Kianja mitafo Mahajanga : vita ny 97% ny fanamboarana

Anisan’ireo faritra nananganan’ny fitondram-panjakana kianja mitafo, ny faritan’i Mahajanga. Efa anatin’ny famaranana ny asa fanamboarana amin’izao ary efa vita ny 97 isan-jato, raha ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Adbulah Marson Moustapha, tany an-toerana. Ny 10 isan-jato sisa no vitaina, hanaovana ny famaranana ny asa sy […]

Fifanintsanana “Can 2025”: sahirana ny Barea ao amin’ ny vondrona “A”

Ady sahala no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny andro voalohany sy faharoan’ity fifanintsanana handraisana anjara amin’ny « Can 2025 » ity. Manana isa iray ny Barea, taorian’izay lalao roa natao izay. Notontosaina, omaly, tao amin’ny kianjan’ny Ha­madi Aguerbi Rades Tunisie, ny andro faharoan’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hatao […]

RN 2 : tratra ireo mpangalatra lafarinina

Noraisim-potsiny! Nan­dritra ny fisafoana nataon’ny zandary mpanao fisafoana eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2) tao Bekalalao, kaominina ambanivohitr’i Fanandrana distrika Toama­sina II, ny alin’ny 7 septambra 2024, no nahatrarana ireo telo lahy nangalatra lafarinina. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fisiana kamiaobe iray nijanona teo amoron-dalana, tao Ampa­si­ma­dinika Ranofotsy, ary nahita […]

Distrikan’i Manandriana : dahalo maty voatifitra

Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Mahasoa II, kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, afakomaly. Nanafika mpiompy omby tao amin’io fokontany io ny olon-dratsy miisa fito. Nahare ny fisian’io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Namoaka basy ary nanambana ny iray tamin’ireo jiolahy. […]