Auteur/autrice : Adnews
Horonantsarimihetsika: efa azon’ny rehetra jerena ny « Nampoina »
Tontosaina anio tolakandro, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny fandefasana ny horonantsary “Nampoina : Ny riaka no valampariako”, izay an’ny fikambanana Valamparihy, ho an’ny besinimaro. Ny mpianatra sy ny tanora no tena kendren’ny tomponandraikitra hahita ity horonantsary ity. Tanjona ny handefasana azy any amin’ireo Oniversitem-panjakana sy ireo sekoly maro samihafa. […]
“Sivy Mahasaky”: hisy ny seho fahatsiarovana an’i Tsilavina Ralaindimby
Tontosaina anio hariva, eny amin’ny Plaza Ampefiloha, ny fampisehoana ahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra an’i Danaivo, Tsilavina Ralaindimby ary i Donné Sahondrafinina. Ny tarika “Sivy Mahasaky” no hamelona indray ny kanton’ireto andrarezin’ny kanto malagasy ireto. Kaloin’ireto andrarezina ireto, laroina ireo hiran’ny tarika “Sivy mahasaky” no hanakoako eny an-toerana amin’ity anio ity. Efa […]
Taratry ny kanto
Niu Raza. Tanterahina ny sabotsy 9 septambra 2023, ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana hataon’i Niu Raza. Seho an-tsehatra ahitana dihy sy hira no ampanantenain’ity mpanakanto ity ny mpankafy azy. Efa lany tanteraka ny tapakilan’ny fampisehoana, omaly. Fotoana sisa, araka izany, no andrasan’ny rehetra. “Vazo miteny”. Hihaona eny Antsahamanitra, ny […]
Misoko mangina: potiky ny doka ny teny
Rehefa natao ny kajy: tao anatin’ny doka varotra 17, ny 2 tamin’ireo ihany no tamin’ny teny malagasy madiorano. Ny ambiny, amin’ny teny vahiny avokoa. Voakasik’io avokoa na ny doka varotra mandeha amin’ny Radio na Televiziona, na petadrindrina lehibe. Tsy sahaza ny Malagasy angaha ny voalaza ao anatin’ireny doka ireny no […]