Manamarika ny faha-25 taona nisiany ny fikambanan’ny mpitsabo misehatra amin’ny minisitera eto amintsika. Hanomboka anio, amin’ny alalan’ny hairanty eo amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika. Misy fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ny diabeta, fitsapana tosidra izay maimaimpoana anatin’ny tolotra omena ny mpitsidika eny. Hisitraka fampiofanana sy fampitaovana mikasika ny fitantanana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Vondrom-pikambanana ao Atsinanana: « Ny fahasamihafana no antoky ny fampandrosoana »
Miaina sady manaja ny fahasamihafana eo amin’ny toerana niaviana ny ao amin’ny faritra Atsinanana. Ataon’ireo mpitantana ao an-toerana ho fanoitra amin’ny fampandrosoana izany. Nisy ny faniratsirana sy fanosoram-potaka ny raiamandreny ara-panjakana sy ara-drazana ary ny fitsarana eto amin’ny faritra Atsinanana, tamina haino aman-jery sy tambajotran-tserasera, niainga tamina tale kabinetrana sampandraharaham-panjakana […]
Rabary Paul: “Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”
“Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”, hoy ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny toe-draharaham-pirenena mafanafana amin’izao fotoana izao. Vokatra andrasana amin’ny fifampidinihana ny hanomezana antoka ny rehetra fa madio sy mangarahara ny fifidianana. Etsy andaniny, fanomezana antoka ny rehetra fa hanaiky ny voka-pifidianana. […]
Fantina sy fintina
Mitaky fanazavana amin’ny Foloalindahy ny Jly Tsaranazy Jean Emile. Nambarany fa anisan’ny fepetra noraisin’ny amiraly Ratsiraka ny nandroahana ny tafika frantsay teto. Nahasarotiny azy ny fiandrianam-pirenena. “Tokony haneho hevitra ianareo Foloalindahy, manoloana ny fizakan’ny filoha ny zom-pirenena frantsay“, hoy izy. Nandray fepetra manokana ny prefet de Police Antananarivo sy ny […]
Asa vava sy vava asa
Efa ao anatin’ny fiatrehana sy fanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Ady fiady io. Eny, na misy aza ny tsy mitsahatra miady sy mitady hirika tsy hahatanteraka izany, hanemorana azy… Mandeha avokoa ny karazana fanambarana etsy sy eroa. Ny vava no tena miasa? Na ady vava… Misy mihevitra fa izay […]