Naneho hevitra avy hatrany ny depiote Gascar Fenosoa taorian’ny fanakanan’ny Emmo/Reg ny kandidà Ravalomanana Marc sy ny Tim nikasa ho etsy amin’ny Magro Behoririka, omaly. Nanteriny fa efa ankatokin’ny fifidianana izao ka fomba fanao repoblikana any amin’ireo tany demokratika ny manao hetsika, mialoha ny fampielezan-kevitra. “Natao hifampizarana sy hifanentanana handeha […]
Auteur/autrice : Adnews
Fikasana hanao fotoam-bavaka : voasakan’ny Emmo/Reg ny fidirana tao amin’ny Magro
Tsy tanteraka ! Nifandresy lahatra ireo depioten’ny Firaisankina sy ny avy amin’ny Emmo/Reg ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fotoam-bavaka etsy Magro Behoririka. Nambaran’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny fa tsy ho avy amin’izy ireo ny korontana. “Inona ny tsy fanarahan-dalana raha amin’ny toerana manokana an’olon-tsotra no angatahana fitahiana hilatsahana hofidiana…?”, hoy izy. […]
Fihaonana an-tampony Focac any Chine : mandray anjara mavitrika i Madagasikara
Tanterahina ao Pékin, Chine, nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso ny fihaonana an-tampony fahasivy eo amin’ny fiaraha-miasa Sino-Afrikanina (Focac). Mandray anjara mavitrika amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ireo Tomponandraikim-panjakana maro any an-toerana. «Mifanome tanana hampiroboroboana ny fivoarana ary hanangana vondrona Shina-Afrika avo lenta miaraka amin’ny hoavy iombonana» no lohahevitry ny Focac. Anisan’ ny […]
HCC : Nosoloina ireo depiote voatendry minisitra
Nambaran’ny HCC, tamin’ny fanapahana N° 37- HCC/AR, ny 3 septambra, fa azo raisina sy mitombina ny fakan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny fisian’ny fahabangan-toeran’ny depiote eny anivon’ny Antenimierampirenena, noho ny fisian’ireo depiote voatendry ho minisitra. Eo ny depiote isany Razafinjato Aurélie Marie Augustine voafidy tany Vohibato, Sahondrarimalala Marie Michelle voafidy […]
Minisitry ny Fitsarana: « Ilaina fiaraha-mientana ny ady amin’ny kolikoly »
Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin, sy ireo filoha sy tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ara-bola, manodidina an’Antananarivo. Teny amin’ny foiben’ny minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra, omaly, no nanatanterahina izany fihaonana izany. Anisan’ny nisongadina nandritra izany ny fanentanan’ny […]




