Auteur/autrice : Adnews
Antoko Ilo Mada : « Mety ny PDS no ho kandidà ben’ny Tanàna »
“Mpandraharaha ny fahafantarako an-dRtoa Ramanantsoa Harilala, tsy ao anatin’ny antoko na vondrona antoko. Raha izay izany no hanomanan-dry zareo eo amin’ny fitondrana ny sain’ny mponin’ Antananarivo, na anoman-dry zareo ny sain’ny Irmar na ny TGV: matoa apetraka, toy ny mizotra mankany… ” Io ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny antoko Ilo Mada, […]
Rugby – “XXL Top 12” : hanala vela amin’ny FTM ny TFMA
Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro amin’izany, ny lalao izay hihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA Ankasina. Mbola manala vela ny mpilalaon’Ankasina amin’ity lalao ity. […]
PDS Antananarivo : nihaona tamin’ny mpandresin’ny « Econnect »
Mitombo hatrany ireo tetikasa entina manatsara ny fiainana andavanandron’ny mponina eto Antananarivo. Anisan’izany ny tetikasa “Econnect”, izay mitondra fanatsarana amin’ny sehatra maro ho an’ny mpiara-belona. Nihaona tamin’ny filohan’ ny Delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, ireo tomponandraikitry ny tetikasa miisa efatra, voafantina tao anatin’ny «Econnect». Tao anatin’izany no nanamafisana ny fiaraha-miasa […]
INDRAY MIJERY
Tanora mpianatra miisa 10 000 no nisitraka fanentanana momba ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida, nandritra ny fidinana teny amin’ ireo Oniversite, tamin’ireo renivohi-paritany 3 : Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina. Nisy fanaovana fitiliana ny tsimokaretina maimaimpoana ankoatra ny fanentanana. Hitohy amin’ny Oniversite hafa ny fanentanana. Manomboka miditra an-tsekoly ireo mpianatra ho […]




