Auteur/autrice : Adnews
AMBARAO – Alliance 92 – Michèle Rakotoson (vf)
Kitra – Lalaon’ny « Francophonie » : mbola tsy misy ny fampivondronana ny Barea U20
Afaka roa herinandro dia hanomboka ny fifaninanana ho an’ireo firenena miteny frantsay “Jeux de la Francophonie”, andiany faha-9. Lalao hotanterahina any Kinshasha, RD Congo, ny 28 jolay-6 aogositra. Tsy mbola misy resaka ny fampivondronana ny Barea U20, taranja baolina kitra. Rehefa natao ny fanadihadiana teny amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina atsy Abidjan Côte d’Ivoire, ny 8 hatramin’ny 12 aogositra izao, ny fiadiana ny « IHF Trophy kaontinantaly », sokajy cadettes sy Juniors, taranja Handball. Anisan’ny nahazo ny tapakila, ny Akion’i Madagasikara, solontenan’ny faritra faha-6. Mafy ny miandry ny ekipam-pirenena, tsy mitovy amin’ny fifanintsanana tany amin’ny faritra faha-6 intsony ny zavatra hitranga. […]
Kitra – JIOI 2023 : miisa 30 ireo mpilalao voafantina
Navoakan-dRakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô, mpanazatra ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar hanao ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja baolina kitra. Fifaninanana goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy jzao. Miisa enina ireo mpilalao mila ravinahitra, anisan’izany i […]