Auteur/autrice : Adnews

BEPC: tsara ny vokatra ho an’ny faritra Atsinanana

Tsara ny voka-panadinana BEPC ho an’ny faritra Atsi­na­nana, raha ireo efa nahazoana vokatra ofisialy. Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, nahatratra 60,76 % ny taham-pahafahana, raha 54,97% ny taon-dasa. 5 569 ny mpianatra voasoratra anarana ka 286 tsy tonga niatrika fanadinana. Nohamafisin’ny lehiben’ny fari-piadidiam-mpa­mpianarana Toamasina I, Ma­ra Sylvie fa nisy ny […]

Zava-mahadomelina : sarotra tsaboina ny fiankinan-doha

Niompana tamin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina, ny antony sy ny voka-dratsiny, ny lohahevitry ny fivoriana siantifika fahavalo, omaly, teny amin’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza. Noho ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra ny héroïne (rôrô), eto amintsika tato ho ato no nikarakaran’ny «Société malagasy de psychiatrie» (Somap) ny hetsika . Mitarika fiankinan-doha ara-batana sy ara-tsaina […]

Lycée any Toamasina: mpianatra 7 amin’ny 600 mandray héroïne

Tafiditra amin’ny fandraisana zava- mahadomelina ny tanora amin’izao fotoana izao. Tsy ny sigara sy ny toaka ihany fa hatramin’ny héroïne, araka ny fanadihadiana tany Toamasina. Hitan’ny tomponandraikitry ny «service psychiatrique» eo anivon’ny CHU Analakininina, Toama­si­na fa maro ny ray aman-dreny mitondra ny zanany hozahan’ ny mpitsabo satria manana olana any […]

Faritra Boeny: manameloka ny fivoizana ny LGBT

Namaky bantsilana ny fa­na­melohany ny fivoizana an­karihary ny resaka LGBT (Lesbiennes, gay, bisexuel et transgenre) ny governoran’ny faritra Boeny, Andriantoman­ga Mokhtar Salim, nandritra ny fananganan-tsaina nataon’izy ireo ny fiandohan’ity herinandro ity. Hentitra izy nilaza fa tafahoatra ny fanelezana ny resaka olona mitovy fananahana mi­vady sy ireo manova taovam-pananahana amin’ny haino […]

Tetikasa “Fandraharahana”: 30 ireo maintimolaly manaraka fiofanana

Naharitra 3 andro ny atrikasa mikasika ny fandraharahana, tetsy amin’ny masoivoho amerikanina Andrano­me­na. Nanokatra izany ny masoivoho Claire Pierangelo. Ta­fi­di­tra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governemanta amerikanina «U.S. Speaker Pro­gram», izay mampifandray manam-pahaizana amerikanina amin’ny mpisehatra matihanina maneran-tany ity natao ity. Amin’ny alalan’ny fanitarana ny tambajotran’izy ireo sy ny fifampizarana traikefa sy […]