Auteur/autrice : Adnews

Sinema Malagasy : zavakanto feno ny horonantsary « Domboeza »

Ankoatra ny fampialana voly. Mitondra fahalalana vaovao sy mamelona indray ireo kolontsaina malagasy, avy any amin’ny faritra ny “Domboeza”. Izany indrindra no ilazana fa feno tanteraka ny fepetra maha zavakanto azy. Hisy ny fandefasana ny horonantsary fanadihadiana « Domboeza », ao amin’ny Alliance Française d’Antsiranana, ny 22 Ao­gositra 2024. Araka ny nambaran’i […]

Oniversiten’i Barikadimy: Diovina sy harenina ny tranon’ny mpianatra

Nohatsaraina ny fotodrafitrasa momba ny tranon’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy. Naseho tamin’ny mpanao gazety izany, ny faran’ny herinandro teo. Mitaky ezaka maro amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa ny anjerimanontolo ao Barikadimy, araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Mba hisian’ny filaminana sy filaminan-tsaina ary fahasalamana eo amin’ny mpisehatra rehetra. Naseho tamin’ny mpanao […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, “1ère division” sy “2è division”, taranja Volley-ball. Tompondaka teo amin’ny D1 ny GNVB2 sy ny Squad 1. Tompondaka teo amin’ny 2D kosa ny Asi 2 sy ny Squad. Nahemotra amin’ny volana oktobra ny fifaninanana “King of the mat”, taranja Jiu-jitsu brezilianina […]

BC EST-Vital Serge: “Nisy vidiny ny ezaka natao”

Mitohy hatrany ny fahombiazan’ny klioban’ny BCEST (Basketball club éspoirs sportifs de Tuléar). Taorian’ny nahazoana ny anaram-boninahitra teo amin’ny basikety U14 sy ny Handball, sokajy zandriny, nandrombaka indray ny U18 lehilahy, ny faran’ny herinandro teo izy ireo. “Nisy vidiny ny ezaka natao aman-taonany maro. Na tsy nahazo anaram-boninahitra aza teo aloha, […]