Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

“Misy ny fifidianana ary miroso”, hoy ny governo­ran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Aza variana amin’ny zavatra tsy hahasoa. Tena hatahoran’ny mpanohitra ny hoe mbola hirotsa-kofidina ny filoha, izay malagasy ray sy reny. Tsy misy ny fana­lana ny zom-pireneny amin’izany. Mahazo mirotsa-kofidina izy, rehefa te hirotsaka. “Izay didy izay ve no […]

Famatsiam-bola propangady : mampahatsiahy ny tokony hisian’ny kaonty ny CCFVP

Ny lalàna fehizoro 2018-008 no mamaritra ny fifidia­nana sy ny famatsiam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. Enim-bolana mialoha ka ha­tramin’ny telo volana aorian’ny famoahana ny voka-pifidia­nana ofisialy no sahanin’ny kaontin’ny fampielezan-kevitra iray. Manoloana izany, mitohy ny atrikasa ataon’ny Vaomiera fanaraha-maso ny famatsiam-bolan’ny fiainana politika (CCFVP) amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Taorian’ny faritanin’Antsiranana sy […]

Tsy mila mpampiesona

  Milamindamina ny raharaha politika eto am-piandrasana ny lahatenin’ny Filoham-pirenena rahampitso alina. Misy lamina manokana mihitsy ny fikarakarana ity fanambarana ho an’ny vahoaka malagasy ity. Mifanindran-dalana amin’izany, sady miasa no miala sasatra any amin’ny Nosy Sainte Marie ny tompom-pahefana, ankehitriny. Iaraha-mahalala fa nihazakazaka be tampoka teo ny resaka fifidianana. Tsy […]

Fanatsarana fotodrafitrasa : notokanan’ny filoha ny “Aeroport” any Sainte Marie

Hiova tsy ho toy ny teo aloha intsony. Notokanan’ny filoha Rajoelina, omaly hariva, ny fiakaran’ny lentan’ny seranam-piaramanidina ao Ravoraha, Ste Marie. “Ato am-poko ianareo. Anton’ny ezaka re­hetra hampandrosoana ny aty izany ka mifamatotra isika ary tsy hisaraka”, hoy ny filoha Rajoelina. Roa sosona ny lanonana tamin’ izany. Eo ny fanolorana […]

TSELATRA

 Nahazo fahafahana madiodio, ireo fito lahy voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana zazavavy iray tao Tsimenatse, Toliara. Niharan’ny fanolanana faobe  ilay zazavavy 13 taona, ny 22 febroary teo. Na­nao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka voasambotra izy 7 lahy. Taorian’ny voka-pitsarana omaly, afaka avokoa ireo nahina ho nahavanon-doza.  Nidoboka am-ponja ny mpisoloky, […]