Auteur/autrice : Adnews

Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : vono olona, halatra moto, fanafihana

Mihoron-koditra ny mponin’ i Toa­masina amin’izao fot­oana. Miron­ga­tra ny vono olona, ny fanafihana mi­tam-piadiana, ny halatra moto, ny harom-paosy ary ny vaky tra­no… Lasa manjaka tanteraka ny asan-jiolahy ao an-toerana, ankehitriny. Ho an’ ny alatsinainy tapany maraina teo fotsiny, nahitana trangana tsy fandriampahalemana ma­ro tao an-toerana. Anisan’ izany ny asan-jiolahy […]

FANTINA sy FINTINA

Nisaotra ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny kandidà ben’ny Tanàna, Rinah Rakoto­manga. “Isaorana izy namaly ny antso nataoko mba hisian’ny fifaninana masina eo aminay mianaka ka hirotsahany hofidina. Nihaino ny fangatahako izy ka ho adin’ombalahin’ny mpianakavy izy ity… Efa vonona aho sy ny ekipako”, hoy izy. “Avelao ny fitsarana […]

Fitantanana ny Sadc amin’ny taona 2025: misy ny tombondahiny ho an’i Madagasikara

“I Madagasikara no mitantana ny foibem-pitondrana voalohany eo anivon’ny Sadc mandritra ny herintaona, misafidy izay ho lohahevitra hitantanana ny Sadc mandritra ny herintaona. Izy ihany koa no hampiantrano ireo fivorian’ny filankevitry ny minisitra sy ny fivorian’ireo tomponandraikitra ambony ary ny fihaonana an-tampony”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, […]

Ho lalao henjana !

  Raha mahoraka ny fananganana governemanta, tsy azo atao ambanin-javatra ny mahakasika ny fifidianana ny ho ben’ny Tanàna. Indrindra ny eto an-dRenivohitra. Mbola malaza ho “favori” ny antokon’ny filoha teo aloha na ny Tiako i Madagasikara. Porofon’izany ny nahazoan’izy ireo toerana maromaro teto anivontany nandritra ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy midika […]

Depiote “Del kely” : “Niketrika minisitra avy aty aminay ny mpitondra”

Nihemotra tamin’ny paikadiny ny fitondrana, araka ny nambaran’ny depiote “Del kely”, omaly, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, ao amin’ny onjampeo iray. «Nikasa hametraka minisitra sarintsarina mpanohitra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana saingy nihemotra tamin’ny fotoana farany», hoy izy. Nohitsiny fa hampiaka-peo avy hatrany ny eo anivon’ny fanoherana raha miseho izany ary hidradradra […]