Auteur/autrice : Adnews

MFF andiany faha-18 : fantatra ny mpitsara ny fifaninanana

Navoakan’ny tomponandraikitra, omaly, ny mpitsara voafidy mialoha, hitsara ny fifaninanana mandritra ny “Madagas­court Film Festival” (MFF) andiany faha-18. Miisa 5 izy ireo, ahitana olona manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny horonantsary. Ity hetsika lehibe ity izay hotanterahina ny 18 hatramin’ny 26 novambra 2023, eto Madagasikara. Mandrafitra izany […]

Tontolon’ny hira sy ny valiha : hotsaroana Randafison Sylvestre

Mitsingerina tamin’ity taona ity ny faha-20 taona nahalasanan’ilay andrarezin’ny hira malagasy, Randafison Sylvestre. Hisy ny hetsika hoenti-mahatsiahy ny zava-bitan-dRandafison Syl­vestre, mpitendry valiha ma­laza maneran-tany. Ao anatin’ ny fandaharam-potoana ny fijoroana vavolombelon’ireo nifanerasera taminy fony fahavelony. Anisan’izany ny fianakaviana sy ny mpitendry zavamaneno toa an-dRakotomavo Germain sy Ratovo Luc Oli­vier, sns, […]

Kaominina Ambinanidilana : faritra manan-karena fa saro-dalana

191 ireo kaominina mandrafitra ny faritra Atsina­na­na. Iray amin’ ireo ny kaominina ambanivohitr’ Ambinanidilana. Anisan’ny toerana iray manan-karena amin’ny lafiny maro ao amin’ny distrikan’ i Mahanoro. Ahitana vokatra fanondrana maro samihafa any amin’ny kaominina am­banivohitra Ambinanidilana. Anisan’izany, ny vanila, jirofo, kafe, poivre, vary, paraky gasy… Ahitana omby sy kisoa koa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mitovy ny zom-pirenena sy ny fiaviana. Zava-dehibe tsy tokony hohamaivanina ny momba ny fizakana zom-pirenena, raha ny fanehoan-kevitry ny kandidàn’ny antoko Tsara tahafina, i Paraina Auguste. Tokony ho ny lalàna ihany no tokony hampiharina. Maninona ny zanaka no alefa any ivelany, raha hita fa mandeha tsara ny fampianarana eto […]

HVM: “Tokony hajaina ny lalàna momba ny zom-pirenena”

“Ho anay antoko HVM, tsy mila avilivily intsony izany fa hijery isika afaka volana vitsivitsy. Enga anie mba hijoro ireo tomponandraikitra mahefa amin’ny fijerena ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mpanao gazety ka nanazavany ny amin’izay fananany […]