Auteur/autrice : Adnews

Seha-pihariana: mirona amin’ny fanaovana lambiky avokoa ny tantsaha

Mahasarika tan­tsaha maro ny fikirakirana ny ravin-jirofo hivadika ho lohamenaka amin’ny fa­ritra maro eto amin’ny Nosy. Noho ny tsy fi­sian-drano eny an-tanimbary sy ny halafosan’ny vidin’ny lohamenaka ny anton’izany. Tsy afa-miala amin’ny fiharian’ny tantsaha ny jirofo sy ny mombamomba azy. Ampiasain’izy ireo avokoa hatramin’ny voany, ny raviny, ny tahony ary […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony ho amin’ny 6 novambra izao ihany ny fifidianana ben’ny Tanàna, hoy ny mpiara-mitantana ny fikambanana Gasy leo, Raherimampianina Nambinina, manoloana ny fanemorana izany ho amin’ny 11 desambra. Ho avy ny orana amin’ny volana desambra, dia mety hisy indray ny fihemorana. Amin’ity taona ity ny fifidianana no tokony hatao. Sahala […]

Ramamimampionona Gérard: “Asa be no miandry ny governemanta”

“Hita ny zavatra iainan’ny Malagasy amin’izao: fahantrana. Tsy mihinan-kanina izy: ahoana no hihinan’ny hanina? Te hiasa izy: ahoana no ahazoany miasa? Tsy afa-mitsabo tena izy: ahoana no hahazoany mitsabo tena? Te hampiana-janaka izy: ahoana no ahazoana manao izany? Tena asa be izany no miandry ny governemanta amin’izao endri-pahantrana lalina iainan’ny […]

Telo herinandro!

  Fifidianana sy fananganana governemanta izao no malaza. Tsy mbola ho ato ho ato mihitsy aloha ity farany raha ny angom-baovao azo. Mbola mamita iraka any ivelany rahateo ny filohan’ny Repoblika sy ny mpiara-miasa aminy. Taorian’ny tany Paris, mbola ho any Angola sy Guinée ihany koa ny delegasiona izay tarihiny. […]

Fitsidihana an’i Guinée-Bissau : noraisina tamim-pomba fanajana ny delegasiona malagasy

Ao anatin’ny fitsidihana ara-panjakana ireo firenena afrikanina ny filoham-pirenena malagasy, miaraka amin’ny delagasiona tarihiny, amin’izao. Fanatsarana ny fifandraisana amin’ny any ivelany sy ny fitadiavana fiaraha-miasa no tanjona amin’izany. Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, Osvaldo Viera, ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, omaly tolakandro, ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Fitsidihana ara-panjakana […]