Auteur/autrice : Adnews

Reko Band – 5 taona : seho alohan’ny farany eto Antananarivo

Anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny Reko Band amin’izao fotoana izao. Maro ny karazan-tseho efa tontonsa, tamina toerana samihafa arakaraka ny filan’ny mpankafy. Hafa noho ireo efa nisy ity hotontosaina etsy amin’ny La Balançoire ity, ny alakamisy iray aogositra, manomboka amin’ny 7 hariva. Fotoana hizaran-dry Fy ny sanganasany manakaiky kokoa […]

Faribolana Sandratra : hanolotra ny «Telolafy» i Aro sy i Gazela Meva ary i Irà

Mpanoratra samy manana ny mampiavaka azy. Tsy hanalavitra izay ihany koa ny antsan- tononkalo hotanterahin’i Aro sy i Gazela Meva ary Irà, ny faran’ny herinandro izao. Haneho ny maha izy azy ny tsirairay. «Telolafy», io indray no lohatenin’ny antsan-tononkalo hotanterahin’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina, ny 27 […]

Razana sy fitahiana : amina miliara ny fanaovam-pasana ho an’ny mpanan-karena

Miditra anatin’ny vanim-potoan’ny famadihan-drazana ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Misy ny manokatra ny fasan-drazana fotsiny, misy ny manangana fasam-bao amina miliara. Manomboka ny volana jolay, miditra amin’ny vanim-potoana hanaovana famonosan-damba ny razana ny Malagasy, indrindra ny ampovoan-tany. Famadihana, ba­pam­pa, tsaboraha, sns. Samy manana ny fiantsoany azy ny isam-paritra. Ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 72 miliara Ar ny trosan’ny fanjakana amin’ny mpaninjara solika ho an’ity taona 2024 ity. Manodidina ny 39 miliara Ar ny tavela tamin’ny taon-dasa. Misy ny fifanarahan’ny roa tonta handoavan’ny andaniny sy ny ankilany avy ny trosany sy ny hetrany taorian’ny tsindry nataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Maherin’ny 50 000 ny isan’ny […]

Fotodrafitrasa : tafakatra 20 tapitrisa Ar ny fanorenana trano

Fanamby iraisan’ny tsirairay ny hanorina trano hisorohana amin’ny olana samihafa. Aman-tapitrisa maro ny fananganana trano ara-dalàna sy manana ireo fepetra takin’ny fanamboarana. “Mahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa Ar ny tetibola ho an’ny fanangana trano manana efitra telo sahaza an’olona efatra mianaka. Manana velarana 10-12m2 kosa ny efitra tsirairay. Tsy ao anatin’izay […]