Mandeha ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa amin’ny tetikasa fitarihana rano fisotro sy ho an’ny fambolena, miainga any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Misy zotra mifanandrify sy mifanapaka amin’ny lalana RN 13 ihany koa ny asa hatao. Mifantoka amin’ny fitaterana rano fisotro madio sy ho an’ny fambolena avy any amin’ny reniranon’Efaho any Taoganaro […]
Auteur/autrice : Adnews
INDRAY MIJERY
Manomboka androany ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. 218 359 ireo mpiadina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanao ny ezaka rehetra hampizotra tsara ny fanadinana ny tomponandraikitra. Tsy tokony hanadino ny taratasy fiantsoana sy ny karatra famantarana ho mpiadina ireo mpianatra, isan’andro. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa fampiofanana […]
Anosisoa Ambohimanarina: nisitraka fitsaboana maimaimpoana ireo sahirana
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Anosisoa Ambohimanarina, ny hetsika ara-tsosialy notanterahin’ny fikambanana Fa-mamiratra sy ny Lion’s Club Farimbona ary ny sampandraharaha miandraikitra ny lafiny sosialy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fitsaboana maimaimpoana sy fanolorana sakafo ara-pahasalamana no hita nandritra izany. Hetsika efa fanaon’ireto fikambanana ireto izy ity. Tanjona ny […]
Fahasalamana: 24 000 ireo zaza noforaina
Mitotaly 24 000 ireo zazalahy voafora tao anatin’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ny fanjakana, manerana ny Nosy. Misokatra maimaimpoana amin’izany ireo tobim-pahasalamana rehetra, araka ny toromarika nomen’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mbola mitohy ny hetsika ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ireo kojakoja sy ny saran’ny famorana izay miakatra isan-taona. Tena lafo ny […]
Hatramin’ny taona 1970: nihena 78% ny tahan’ny fahalotoan’ ny rivotra
Miantoka ny fahatomombanan’ny fiainan’ny zava-mananaina ny fahadiovan’ny rivotra. Mikendry hatrany ny fahatsaran’ny tontolo iainana, hisian’ny rivotra madio, ireo manam-pahaizana. Nampivondrona manam-pahaizana sy vondrom-piarahamonina mba hiady amin’ny fahalotoan’ny rivotra aty Afrika ny Clean Air Forum Lagos. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Tsy voafetran’ny sisin-tany rahateo ny fandotoana rivotra. Nisy ny fanohanana […]




