Auteur/autrice : Adnews

Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Manomboka manova mpiara-miasa ny filoha”

“Inona no andrasana amin’ ny governemanta ary naninona ny Praiminisitra teo aloha ihany no notanana? Ny fahitako azy: efa manomboka ma­metraka fanovana amin’ny olona hiara-miasa aminy ny filohan’ny Repoblika, raha tsy hijery afa-tsy ny zava-misy eo anivon’ny Antenimierampire­nena.” Io ny fijerin’ny depiote voafidy tany Miarinarivo ta­min’ ny anaran’ny Irmar, Rakoton­drasoa […]

Asa haingana sy mivaingana

  Mangingina ny tontolo politika amin’izao? Any ambadika, mandeha hatrany ny karazana kajikajy sy paipaika. Tsy inona fa ny amin’ny fandrafetana izay ho governemanta vaovao eo. Hanao ahoana? Misy tonga amin’ny kitsapatsapa, fifandresen-dahatra, fandefasana resaka na tsilian-tsofina… Na ny mpiray donak’afo aza, mety misy mifanosika an-toerana? Samy te ho… Aoka […]

Tany ho an’ny Malagasy : karatany 3 072 nozaraina tao Mahavelona Itasy

Ao anatin’ny fanatanterahana ny fanomezana karatany sy titra faobe ho an’ny vahoaka malagasy ny fitondram-panjakana amin’izao, amin’ny alalan’ny tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena no hanatanterahana izany. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany sy titra faobe ho an’ny mponina ao amin’ny kaominina Mahave­lona, distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy. Ankoatra ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Taxi-be iray nifatratra tamin’ny fiara tsy mataho-dalana teny Tsiadana,omaly. Tapaka hisatra io fiara io ka niezaka nifehy ny familiana ny mpamily. Nikasa handona ny fiara tamin’ny andrin-jiro ny nitondra io taxi-be io saingy nifatratra tamin’ilay fiara 4×4. Lavon’ny balan’ny zandarimaria ny jiolahy nikononkonona fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Imerimandroso, ny […]

Resin-tory ny mpamily: taksiborosy nivadika, mpampianatra maty

Olona iray maty, telo hafa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia tao amin’ny fokontany Tsoroboy, kaominina ambanivohitr’Amporoforo, Farafangana (RN 12), ny sa­botsy teo. Teo amin’ny 31 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Farafangana no nitranga ny loza. Fiarakodia nitondra mpampianatra 31 mianadahy avy ao amin’ny “Lycée Saint Vincent de […]