Auteur/autrice : Adnews

Lalaon’ny tany miteny frantsay : mety tsy handray anjara ny Barea

Baraingo indray ny ho fandraisan’anjaran’ny Barean’i Madagasikara, eo amin’ny lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Jeux de la francophonie 2023). Fihaonana tanterahina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ny 28 jolay ka hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Araka ny fanadihadiana natao, tapitra ny talata 4 […]

Mathias M’Madi : anisan’ny voafantina amin’ny GloblJam 2023

Nitondra vokatra tsara ho an’i M’Madi sahady ny fisongadinany, nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19, natao tany Hongrie. Tafiditra ao anatin’ny mpilalao afrikanina mendrika indrindra izy. Ao anatin’ny mpilalao mendrika indrindra eto Afrika i Mathias M’Madi, mpilalao nisongadina tamin’ny «World Cup U19», natao tany Debrecen Hongrie. Hihazo […]

Lisi-pifidianana : mifarana anio ny fanamarinana

Mifarana anio ny fahafahan’ny olompirenena manamarina sy manitsy ny momba azy ao anatin’ny lisi-pifidianana, araka ny fe-potoana nomen’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI). Raha tsiahivina, nahazo 20 andro indroa miantoana, ny olompirenena tsirairay nanamarinana na nanitsina ny momba azy tao anatin’ny lisi-pifidianana, teny amin’ny fokontany misy azy avy. […]

Tsenabe By pass – Atsimondrano : hetsika ara-toekarena hitsinjovana ny tontolo iainana

Hotanterahina eny By pass, ny 20, 21, 22 ary ny 23 jolay ho avy izao ny tsenabe “Vitrine d’Atsimondrano”. He­tsika karakarain’ny Fikam­banana Manasoa. Hampiranty sy handray anjara mandritra izany, ireo orinasa 250 (va­venty sy madinika) eny an-toerana. Toy ny tontolon’ny fambolena, fiompiana, asa tanana, fampiofanana, fampianarana… Tanjona ny hisian’ny tolotra sy tinady […]

Kitra ho an’olona 7 : tafapetraka ny vato­fo­totra eny Betongolo

Tontosa omaly, teny amin’ny kianjan’ny Betongolo ny fametrahana ny vatofototra ho fananganana kianja filalaovam-baolina ho an’olona 7 (MDN Stadium Betongolo). Nanatan­teraka izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rako­toa­rijaona Josoa sy ireo mpiara-miasa aminy. Fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika Malagasy, amin’ny alalan’ny ofisy miaramilan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), sy ny mpiara-miombon’antoka […]