Auteur/autrice : Adnews

Vonjy voina ivelan’ny hopitaly: hisokatra ny toerana fikirakirana ny antso an-tariby

Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa hisokatra tsy ho ela ny ivontoerana fikirakirana ny antso an-tariby (CRRA) hanampy amin’ny vonjy voina mahazo ny olona tampoka ivelan’ny hopitaly. Efa miofana ireo mpiasan’ny fahasalamana hiandraikitra izany mba ho tena fahombiazana sy hisy fiantraikany amin’ny fanavotana ain’olona ny fisian’izy ireo. Nanazava ny profesora Rakotoarison Nicole, talen’ny Dcamum fa maro ny […]

Seces Antananarivo : nitondra vahaolana ny « cellule de crise »

Manoloana ny toe-draharaha manahirana lalovan’ny firenena ankehitriny, mijoro ny Seces sampana Antananarivo, amin’ny alalan’ny « cellule de crise ». Mitondra soso-kevitra ho fanarenana ny firenena, araka ny fanambarana nataony, omaly. Anisan’ny niantefan’izany ny fanabeazana, fampianarana, fampiofanana, fikarohana. Olana ny tsy fametrahana rafi-pampianarana sy rafi-panabeazana mazava sy mahomby avy amin’ny fitondrana […]

Zava-mahadomelina : miasa ny toeram-pitsaboana ny fiankinan-doha

Efa am-perinasa ny ivontoerana handraisana ny mpidoroka zava-mahadomelina, eny Itaosy. Nitokana ny foto-drafitrasa ny filohan’ny Repoblika mivady. Notokanana, omaly, teny amin’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy, distrikan’Atsimon­dra­no ny ivontoerana fandraisana an-tanana ireo olona te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina (sigara, paraky, rongony ma­hery vaika (rôrô). Ha­nampy manokana ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina sy […]

Ho fifalian’ny mpankafy…: hiaraka an-tsehatra indray i Poopy sy i Njila

Tsaroanareo ve ilay fampisehoana Njila sy i Poopy tao amin’ny Palais des sports, ny taona 2017? “Firaisankina” ny anaran’ny seho tamin’izay, nentina nanamarihan’i Njila ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra. Amin’izao fotoana izao kosa, tonga amin’ny fankalazany ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra ihany koa i Poopy… Efa nisy ny seho goavana […]

Fitsidihana ny Rova: nandraisana fepetra ireo mpitari-dia tsy ara-dalàna

Izay efa nitsidika dia nahatsikaritra. Ifandrombahan’ireo milaza fa mpitari-dia izy ireo. Manakorontana ny mpitsidika ny Rova ka tsy eken’ny minisitera mpiahy izany. 9 andro izay no nisokatra indray ho an’ny besinimaro ny eny Anatirova. Efa maherin’ny 10 000 sahady ireo mpitsidika, ny tamin’ny alarobia teo no maro indrindra, satria nahatratra […]