Mandray anjara goavana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanasoavana ny olona ny tanjon’ireo mpanodina akora azo avy amin’ny tavoahangy plastika. «400 taona vao levona tanteraka ny karazana plastika PET, ezaka ataon’izy ireo ny manome fiainana faharoa sy vaovao indray ireny karazana plastika ireny», hoy ny tomponandraikitra iray. Antony namoronan’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifidianana : resy lahatra amin-dRajoelina ny Fimpiva sy ny ADGA
Manao ranolava ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Anisan’ny resy lahatra amin’izany ny mpivarotra sy ny mpanamboatra telefaonina. Niantso ireo mpivarotra namany hampiasa ny fahefana amin’ny fandehanana mifidy ny Fikambanan’ny mpivarotra eny Ambohimanarina (Fimpiva). Nambaran’ny filohany, Razafimbelo Tiana Olivier, fa efa hita ireo fotodrafitrasa maro […]
INDRAY MIJERY
Tokony hanana fahazarana manasa ny voankazo sy ny legioma hanina manta amin’ny rano sy savony ny rehetra hisorohana ny aretim-pivalanana mahazo vahana rehefa betsaka ny rotsakorana, hoy ny mpitsabo. Rano avy nampangotrahina koa no mety indrindra hosotroina, indrindra ho an’ny ankizy madinika. Afaka manao fitiliana ny aretina tazo, Covid-19 ny […]
Olona ambony tosidra : tsy mahafantatra ny toe-tenany ny 50%
Maro amin’ireo olona manana tosidra ambony no tsy mahafantatra akory fa tokony hanara-maso akaiky ny toe-pahasalamany izy ireo. Fantara fa ny 50% amin’ireo olona manana tosidra ambony dia tsy mahatsapa izany akory, raha ny fanazavana nentin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vokatr’izany no mahatonga ny fahatapahan’ny lalandra satria tsy manampo, tsy mitsabo. Azo […]
Tao anatin’ny iray volana : zaza varira 4 nisy naka an-keriny
“Tranga fakana an-keriny zaza varira efatra no niseho tao anatin’ny volana iray monja”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence. Zaza fito taona nisy naka an-keriny ka maty ary notapahina ny lohany, tao Ikongo. Zazalahy herintaona sy tapany nisy naka an-keriny ka tsy mbola hita hatramin’izao, efa […]




