Auteur/autrice : Adnews

Basikety-N1B (L) : tompondaka ny Cosfa Analamanga

Nikatona, ny faran’ny heri­nandro teo, tany Moron­dava, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1B sokajy lehilahy. Voahosotra ho tompondaka nandritra ny fifaninanana, ny ekipan’ny Cosfa An­alamanga. Nifanandrina ta­min’ny ekipan’ny SBBC Boeny, teo amin’ny famaranana, ity ekipa tompondaka ary nahazo ny fandresena, tamin’ny isa 65 no ho 53. Fan­dre­sena efa nampoizina ihany […]

Baolina kitra : Malagasy mpilalao 600 hotilina ho matihanina

Nahatratra 600 ireo mpilalao zandriny, hotilina amin’ny resaka baolina kitra eto amintsika manomboka anio. Vahiny mpitily matihanina roa no hanao ny adina ho azy ireo. Marihina fa mety hilalao any Frantsa, Canada, Etazonia, Alemaina ireo voatily. H otanterahina ao amin’ ny kianja “syntheti­que” Mahamasina, ma­nomboka anio hatramin’ny zoma 23 jona, […]

Tontosa ny fanadinana : hamoaka mpampianatra fito ny Valiha Académie

Tontosa ny sabotsy 17 jona teo, teny amin’ny Lycée privé Daniel, Andravoahangy am­bony, ny fanadinana ho an’ ireo mpianatra valiha eo anivon’ny Foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Acadé­mie. Fantatra taorian’ity fitsapam-pahaizana ity fa ny mpiadina 7 mianadahy (6 lehilahy, iray vehivavy) no hivoaka ho mpampianatra amin’izy ireo. Anisan’ny nanadinana ny […]

Fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara : maro sahady ireo nitsidika nandritra ny andro voalohany

Ankoatra ny maha andrin’ny tantaran’Antananarivo manokana sy i Madagasikara amin’ ny ankapobeny, toerana mahasarika ny vahiny sy ny tompon-tany koa ny Rova. Mitoetra ny maha fampahafantarana ny tantara azy. Tsindrindaona te hahita ny ao anatiny… Niro­hotra maro ireo nanam-panirina ny hitsidika ny Ro­van’i Madagasikara, om­aly, andro voatondro isokafany voalohany ho […]