Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Ririnina, vanim-potoana mampiroborobo ny hiragasy. Tsy mipetraka an-tanàna ny mpanao azy ity fa manafana ny lanonan’ny didim-poitra sy ny famadihan-drazana. Somary mafimafy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny mpikarakara sy ry zareo amin’izao vanim-potoana izao. « Te hitazona ny fomba ny Malagasy. Tsy afa-manoatra anefa satria tsy mitsaha-mitotongana ny fahefa-mividy… Io tranga io […]

IKM Antsahavola : miavaka ny rantin-tsarin’ i Nart Paul

Anisan’ny mahakanto ny zavatra iray ny fananany ny mampiavaka azy amin’ireo miaraka aminy. Tena kanto tokoa raha ny zavakanto vokarin’i Nart Paul, arantiny eny amin’ny IKM Antsahavola. Manatanteraka fampirantiana eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsa­havola, hatramin’ny 24 jolay 2024, i Mahafaly Nary Paul, fantatra amin’ny anarana hoe Nart Paul […]

“Ranavalona III, The Chrysalys Queen”: hamelona indray ny tantara anaty soradihy i Gaby Saranouffi

Vaovao lehibe ho an’ny tontolon’ny soradihy. Handray anjara amin’ilay hetsika “South African Art Festival” i Gaby Saranouffi. Ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III no hozarainy an-tsehatra mandritra izany. Hotontosaina ny 8 hatramin’ny 10 aogositra izao ilay hetsika ara-javakanto “South African Woman Art Festival”, any Durban, Afrika Atsimo. Anisan’ireo voasafidy haneho ny […]

FANTINA sy FINTINA

Notanterahina omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny mpitantana mpisolo toerana ny Anteni­mi­eram­pirenena, ny depiote Rabenirina Jean Jacques, sy ny filoha vaovao, ny depiote Tokely Justin. Natao tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izany ary tao anatin’ny firahalahiana tanteraka. “Hampirevy vahoaka sy hiaro ny filoham-pirenena ary hanomana ny fifidianana depiote amin’ny taona 2029 ny […]

Fikaroham-bahaolana: mitaky fifampidinihana ny MFM

Naneho hevitra manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny MFM, amin’ny alalan’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Jean Ignace (Ramasy). Anisan’ny tolo-keviny ny hanomezana tombon-dahiny ny eny ifotony ka anisan’ny dingana ahatongavana amin’izany ny fandraisana andraikitry ny filohan’ny Repoblika. “Manana fahefana ny filoham-pirenena amin’ny ahafahany mikitika ny And 162 amin’ny […]