Anatin’ny fandraisana ny antotan-taratasy mombamomba izay kandidà ho minisitra ny tomponandraikitra, ankehitriny. Mbola tsy voafaritra mazava ny daty hivoahan’ny anaran’ireo ho mpikambana vaovao anatin’ny governemanta. Maka fotoana rahateo ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambarany. Tsy misy ny mahamaika sy hirotorotoana fa efa vita aloha ny dingana goavana anankiroa: Praiminisitra […]
Auteur/autrice : Adnews
Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: “Tokony hanova fomba fiasa ny praiminisitra”
Tsy manana olana amin’ny nanendrena indray ny praiminisitra Ntsay Christian ny depiote voafidy tany Betroka. Na izany aza, nitondra tolokevitra ny tenany amin’izao hitantanany ny governemanta izao. “Aleo tsy manova azy, fa sarotra ny manavao. Ny tokony hataony fotsiny: tokony hanova politika kely izy: hanara-maso any ifotony, ary tokony hihaino […]
TSELATRA
Vehivavy iray hita faty natsingevan’ny rano teny Ikopa, afakomaly. Niboridana tanteraka izy, araka ny hita teny an-toerana. Nahitana ratra teo amin’ny lohany. Ahina ho novonoina izy io ka natsipy teny Ampamantanana ary nentin’ny rano. Mipetraka eny Ankazolava izy, raha ny fantatra. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao fanadihadiana. Hapetraka ao amin’ny […]
Fisolokiana laza adina bakalorea : lehilahy iray nosamborin’ny polisy
Manakorontana saim-bahoaka sady misoloky, voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nisoloky ho manana laza adina amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea tao Antsiranana Renivohitra, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana momba ny fisian’io lehilahy milaza ho manana laza adina io. Miara-miasa amin’ny tompona vondrona anatin’ny tambajotran-tserasera izy ka amidiny 20 000 Ar io laza […]
Olana ara-pitiavana : lehilahy maty nananton-tena
Tovolahy iray no hita faty nihantona tamin’ny tady tao Beampombo Fandriana, omaly vao maraina. Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga azy nananton-tena tamin’ny tady fa efa tsy nisy aina intsony izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny dokotera nanao fizahana ny razana. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no […]




