Hiara-hiasa ny APMF sy ny polisim-pirenena amin’ny fanotana « Pièce d’identité de Marin » (PIM) ho an’ireo tantsambo malagasy. Mahatratra 11 000 ireo tantsambo teratany malagasy ary miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa ny 5 000 amin’ireo. Hanamafy ny fitokisan’ireo mpampiasa, ny mpampitao sy ny tompon-tsambo, ny fitokisan’ireo firenena hafa ny tantsambo malagasy mandalo […]
Auteur/autrice : Adnews
Paositra malagasy: nisitraka fampitaovana ireo fakitera
An-tapitrisa isan-taona ny taratasy zarain’ny Paositra malagasy (Paoma) raha ana hetsiny kosa ireo entana tanteriny manerana ny Nosy. Nisy, araka izany, ny fampitaovana, toy ny moto, kitapo (sac porte-document et sac à dos) an’ireo faktera maherin’ny 200 eo anivon’ny Paoma tetsy Alarobia, ny zoma teo, hanatsarana ny fomba fiasa sy […]
Fitsinjovana ny mpanjifa : azo aloa tsikelikely ny entana
Lafo ny vidim-piainana, ankehitriny. Izany no nahatonga ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Accès banque sy ny tranombarotra Taïwan motor, hitsinjovana ny mpanjifa. Azo aloa tsikelikely ao anatin’ny 24 volana ny vidin’ny moto. Tolotra manan-kery nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana jolay teo. Nambaran’ny tomponanandraikitry ny Taïwan motor, Tsifaniaina Henintsoa, fa afaka misitraka […]
Karazan-javamananaina : fototry ny fampandrosoana lovainjafy
Antoka ho an’ny fampandrosoana maharitra ny toekarena ny fiarovana ny karazan-javamananaina. Anisan’ireo firenena nanao sonia hampihatra ireo drafitra napetraka nandritra ny “Conférence des parties de la Convention sur la diversité biologique” (Cop15 de la CDB), i Madagasikara. Drafitra hiarovana sy hamerenana amin’ny laoniny ny karazan-javamanaina ho an’ny telopolo taona manaraka. […]
Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro : nanokanana vola 2,5 miliara Ar ny Albatross
Iray amin’ireo firenena dimy misitraka ny tetikasa Albatross aty amin’ny faritra Afrika atsimon’i Sahara i Madagasikara, miaraka amin’i Kenya, Afrika Atsimo, Tanzanie ary Ghana. Hanafainganana ny fahafaha-miatrik’ireo firenena ireo ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tetikasa ary vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola. Fantatra taorian’ny fanadihadiana lalina natao momba ny fahasarotana hita amin’ny fiovaovan’ny […]




