Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Nanao tatitry ny asany teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fampianarana garabola, eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny mpilatsaka an-tsitrapo japoney iray. Ankoatra ny fizarany ny fomba fampianarana, nisy ny fiofanana natao ho an’ireo mpampianatra. Niara-niasa tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra koa izy mba handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanabeazana ny ankizy. Taorian’ny faritr’i […]

BEPC Cisco Toamasina I : afaka ny zandriny sy ny zokiny indrindra

Amin’ny ankapobeny, niakatra ny taham-pahafahana fanadinana BEPC taona 2024 ho an’ny Cisco Toamasina I, araka ny fanazavana azo. Nahatratra 62,36% ny tahan’ny mpianatra tafita soa aman-tsara ka nahazo ny mari-pahaizana BEPC. Mpiadina 5 072 no tonga nanatrika fanadinana, raha 5375 kosa ny voasoratra anarana. 303 ireo mpiadina voasoratra anarana tsy […]

Horonantsary mahakasika ny ankizy any Atsimo : nasongadina ny fiainan’ny olona manoloana ny tsy fisian-drano

Maro ny tsy mahafantatra ny tena zava-misy marina iainan’ny mponina any amin’ny faritra Atsimo. Manampy betsaka sy hanairana ny sain’ny rehetra eto amin’ny firenena ny namokarana ny horonantsary mahakasika izany. Nalefa tetsy amin’ny Havoria Anosy, ny sa­botsy teo, ny horonantsary manasongadina ny tontolom-piainan’ny ankizy any amin’ny faritra Atsimo. Namo­katra sy […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena : nosarihin’ny minisitra tamin’ny lahateniny ny rehetra

Notontosaina tetsy amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahan­tena. “Ny fanatanjahantena ho an’ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana” ny lohahevitra tamin’izany. Tonga nankalaza izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, sy ireo mpiara-miasa aminy. Nosari­hin’ity […]