Auteur/autrice : Adnews

Lalao Olympika “JO 2024”: I Rija sy i Sidonie no hisolo tena ny atletisma

Atleta mianadahy no hiatrika ny lalao Olympika izay hotanterahina any Paris France, eo amin’ny atletisma dia i Rija sy i Sidonie. Hihazakazaka eo amin’ny 100 m misy fefy i Sidonie raha eo amin’ny 100 m tsotra kosa i Rija. Taorian’i Sidonie Fiada­nantsoa, izay nomen’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny atletisma ny fahazoan-dalana hiatrika […]

INDRAY MIJERY

Vita ny atrikasa narahina fiofanana momba ny fahitan’ireo olona manana fahasembanana sy ny fiarahamonina ao amin’ny faritra Menabe ny zava-misy mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana. Niara­hana tamin’ny fikambanana Autisme Mada­gasikara izany. Naharitra roa andro ny atrikasa nampitana tamin’ireo olona manana fahasembanana ny zony. Voa­resaka avokoa ny lafiny sosialy, kolontsaina sy ny […]

Classe intégrée-EPP Analakely: manabe ankizy 40 manana fahasembanana

“Miisa 40 amin’izao fotoana izao ny ankizy manana fahasembanana ara-tsaina beazina ao amin’ny toeram-pandraisana manokana (classe intergrée) eo anivon’ny EPP Analakely. Mpanabe efatra avy amin’ny Association des éducateurs éspoir Maha­linjo niforona ny taona 2007” no misahana azy ireo, hoy ny filohan’ny Fikambanana, Ra­soamihanta Tantelinirina, oma­ly, teny Analakely. Fiara­ha-miasa amin’ny Cisco […]

Fanadinana bakalorea : Tany Manjakandriana ny minisitra

Bakalorea tsy misy tomika no fanambin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hanatrarana izany tanjona izany indrindra no anaovana ny fitsidihana eny ifotony ka nandehanana tany amin’ny ivontoeram-panadinanana any Manjakandriana. Nanome toromarika ireo tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana ny minisitra Ravokatra Fidiniavo. Nijery ny fahatomombanan’ny fotodrafitrasa sy ny fahavitrihan’ireo […]

Sehatrasa fito nohadihadiana : misy fiantraikany ratsy sy tsara amin’ny zon’ny ankizy

Misy fiantraikany ratsy sy tsara amin’ny zon’ny ankizy ny sehatrasan’ny orinasa nohadihadiana, fa tokony hiezaka hampitombo ny vokatra tsara izy ireo, hoy ny tomponandraikitry ny sehatra tsy miankina ao amin’ny Unicef, Rafidimaharo Miary Nanao fanadihadiana teny anivon’ny orinasa tsy miankina miisa 40 amin’ny sehatrasa fito (fambolena, fizahantany, orinasa mpikirakira lamba…) […]