Auteur/autrice : Adnews

JIC 2024: antoka ho an’ny fampandrosoana ny kaoperativa

Mifamatotra tanteraka ny kaoperativa sy ny taninketsa indostrialy izay mpamokatra voalohany ny akora manodina ny orinasa One district one factory (ODOF). Tanjona apetraky fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny in­dostria sy ny varotra (MIC), ny hanatsara ny fiainan’ny tan­tsaha mikambana ao anatina kaoperativa. Laharam-pahamehan’ny fanjakana rahateo ny fanavaozana ny […]

Tao anatin’ny dimy volana: mpizahatany 78 066 tonga teto amintsika

Manomboka mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Mahatratra 78 066 ireo mpizahatany tonga teto amintsika nandritra ny dimy volana voalohan’ny taona 2024. Niakatra io antontanisa io raha oharina ny tamin’ny dimy volana voalohan’ny taona 2023 izay 63 078. Na izany aza, mbola vitsy izany raha oharina ny tamin’ny taona 2019 […]

Fitaterana ana habakabaka : tafaverina amin’ny IATA ny Madagascar Airlines

Tafaverina ho mpikambana feno amin’ny International Air Transport Association (IATA) ny kaompania malagasy, Madagascar Airlines. Ny 11 marsa lasa teo no efa nanambara io fiverenana io ny Madagascar Airlines ka nanamafy izany ny IATA ny fiandohan’ity he­rinandro ity. Mpikambana feno eo anivon’ny IATA ankehitriny ny Madagas­car Airlines rehefa naato nanomboka […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra manomboka ny 15 jolay ho avy izao, ny toeram-pandanjana fiara vaventy mitatitra entana, mam­piasa ny lalam-pirenena fahasivy, RN9. Eny Am­pondrolava, kaominina Belalanda ny toerana misy azy. Iharan’ny fana­raha-maso avokoa ny fiara mitondra entana mira na mihoatra ny 3,5 taonina. Hatao ny 11 sy 12 jolay ny andrana teknika eny […]