Auteur/autrice : Adnews

Antenimierampirenena : hitarika ny fivoriana ny depiote Gascar Fenosoa sy i Modeste

Hitarika ny fivoriana voalohany sady manokana, ny talata ho avy izao, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ireo depiote mirahalahy, avy amin’ny tsy miankina. Eo ny solombavambahoaka voafidy ao amin’ ny distikan’i Mandoto, Rakotorahalahy Modeste, sy ny depiote voafidy tao Antana­narivo III, i Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Izy ireo no zokiolona sy zandriolona […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny famonoana sy fandratrana ilay tovovavy 21 taona hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Amboniandrefana Wagon, kaomininina Ambalavao, distrikan’Atsimondrano. Fiara iray nifatratra tamin’ny sisin-dalana ka potika tanteraka teny Ankadikely Ilafy, afakomaly. Nandeha mafy io fiara io ka tra-doza. Tsy nisy aina […]

Namono mpiasan’ny kaominina : voasambotra ilay mpiambina nahavanon-doza

Niampy iray indray ny voasambotra, afakomaly, momba ny vono olona nahafatesana mpiasan’ny kaominina iray tao Antsirabe. Nisy namono ta­min’ny fomba niharo habibiana io renim-pianakaviana mpiasan’ny kaominina io, ny volana oktobra 2023 teo. Nitsoaka taty an-dRenivohitra avokoa ireo nahavanon-doza. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka ramatoa iray voasambotra ny 4 janoary […]

Niala lalana : kamiaobe iray nilatsaka tany anaty hantsana

Kamiaobe iray no niala lalana ny vodiny ka nitondra azy amin’ny ankavanan-dalana tany anaty hantsana tao Ankadilalana, fokontany Andranomaitso, kaominina amba­nivohitr’Antaretra, distrikan’Ifanadiana, RN 25 Pk 83+500, afakomaly. Kamiaobe nitondra goudron hanatanterahina ny tetikasam-panjakana avy aty Antananarivo ho any Vangaindrano ity niharan-doza ity. Nahazo fampandrenesana momba ny fisian’io loza io ny […]

Fanondranana biby arovana: Sinoa ny roa naiditra am-ponja

Voasambotry ny mpitandro filaminana tao Toliara ny teratany sinoa tompon’antoka amin’ny famantsiam-bola ireo mpangalatra antsokosoko ny biby arovana ao amin’ny faritra Atsimo. Malagasy telo niara-notazomina am-ponja aminy. Sinoa roa sy Malagasy telo niara-naiditra vonjimaika any am-ponja taorian’ny fisamborana azy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny firongatry ny halatra sy fahatrarana […]