Auteur/autrice : Adnews

Sehatry ny rano : hampirisihana hiditra ny tanora

Notanterahina tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, afakomaly, ny atrikasa momba ny filana sy fanofanana ny asa mahakasika ny rano eto Madagasikara. Atrikasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Defi eau”. Fandaharanasa eoropeanina hametrahana Sampam-pampianarana momba ny rano eny amin’ny Oniversitem-panjakana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. “Ho fampiofanana sy fampirisihana ny tanora […]

Sendikan’ny MEETFP: “Mitaky minisitra manana traikefa izahay”

Nilatsaka sahady ny fampiomanana. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikàn’ny Fampia­na­rana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), omaly. Nambaran’ny sekretera jeneraly nasionaly, Rakotoarison Claude Marie, nanao sonia izany, fa tena nitotongana ny sehatry ny fampianarana teknika nandritra ny taona maro. Manoloana izany, nametraka fepetra sy masontsivana izy ireo amin’ny fanendrena […]

Fifandanjan-kery eny Tsimbazaza: depiote tsy miankina miisa 45 hanohana ny fitondrana

Tapa-kevitra tanteraka. Na­nao fanambarana, omaly, ireo depiote miisa 45, voafidy tamin’ny tsy miankina fa hanambatra hery ka hanangana vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimie­ram­pirenena. Nambaran’ny depiote Rakotoniaina Pety sy ireo namany fa mitovitovy hevitra avokoa izy ireo ka nivory ary izao tapa-kevitra izao. “Anto-pisian’ny solombavambahoaka ny hitondra ny hetahetan’ny distrika nahavoafidy […]

Filoha lefitra fahafito eny amin’ny antenimiera: hiady ny toeran’ny mpanohitra eny Tsimbazaza ny Tim

Hifamotoana eny amin’ny Magro Tanjombato ireo mpikatroka eo anivon’ny Tim, ny sabotsy izao. Eo ny fanamarihana ny faha-22 taon’ny antoko fa anisan’ny andrasana koa ny hevitr’izy ireo momba ny eo anivon’ny Antenimierampirenena. Mbola ifandroritana? Mivonona ny haka ny toeran’ny filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Ante­nimierampirenena ny eo anivon’ny antoko Tim. […]