Mandeha ny kajikajy! Efa miparitaka ny anaran’izay ho filohan’ny Antenimerampirenena. Toraka izany, ny handrafitra ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera. Hivory manokana ny talata 9 jolay izao, araka ny voalazan’ny lalàna, ny Antenimierampirenena. Hiatrika izany ireo depiote miisa 163, vao nofidiana ny 29 mey lasa teo. Vaindohan-draharahan’izy ireo ny fifidianana […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Tratra teo am-pangalarana takelaby mpanome herinaratra mipetaka amin’ireo andrin-jiro amoron-dalana eny Andohatapaneka ny jiolahy iray, ny faran’ny herinandro teo. Ireo polisy manao fisafoana amin’iny faritra iny no nahatratra azy nivimbina ireo takelaby ireo. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Namoy ny ainy ny adala iray tao […]
Ambohitrimanjaka : Jiolahy tratra teo am-pangalarana moto
Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny zandary, raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray tratra teo am-pangalarana moto, tao amina tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka, ny sabotsy hariva teo. Nipetraka teo an-tokotany ny moto iray ka nidiran’ireo jiolahy ary saika havoakany tao. Tsikaritry ny tompony anefa ny fidiran’ireo olon-dratsy satria […]
Nahazo 24 tapitrisa Ar: Adjidà sandoka tratran’ny zandary
Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nisoloky ho mahatafiditra tanora ho mpitandro filaminana, tao Antanakoro, distrikan’i Mananara Avaratra, ny 29 jona teo. Efa nahazo lelavola 24 tapitrisa Ar tamin’ny alalan’ny fisandohana andraikitra izy. Nipetraka tao amin’ny vehivavy iray, tao amin’ny fokontany Androkaroka io lehilahy io, ny avril 2023 lasa teo. […]
Noho ny onja mahery : Zandary roa natelin’ny rano
Mbola tsy hita popoka hatramin’ny omaly hariva, ireo zandary roa lahy niampita lakana. Tra-doza avy namita iraka izy ireo. Niezaka namonjy azy roa lahy ny mpivoy lakana saingy tsy nahatohitra ny onja nisamboaravoara. Zandary roa lahy, avy namita iraka tao amin’ny tanàna tany Ambodiaramy, kaominina ambanivohitr’i Fanasana, no tra-doza afakomaly. […]




