Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola afaka manapa-kevitra amin’ny daty hamerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’izy ireo fa miandry ny fanapahan-kevitry ny filankevi-panjakana izy ireo. “Miankina amin’izany ny hamerenana ny fifidianana. Na izany aza, efa namolavola daty hanaovana izany amin’ny faran’ny mey ity izahay”, hoy ny Ceni. Ny fiantraikan’ny fisintahan’ny […]

Tatitry ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina : “Hisitraka ireo sonia fiaraha-miasa ny faritra rehetra”

Nanao tatitra ny akon’ny fihaonana an-tampon’ny COI sy ny fitsidihan’ny filoha Frantsay, Emmnuel Macron, farany teo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna. “Samy hisitraka ireo fifanarahana fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa tamin’ny COI sy i Frantsa ny faritra rehetra. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny resaka angovo”, hoy izy tetsy Am­pefiloha, […]

Samia mitandrina

  Mandriaka ny ra manerana ny Nosy. Misy ny matin’ny lozam-pifamoivoizana, misy ny maty noho ny ankasomparan’ny sasany, eo no tapitr’andro ara-boahajanahary. Mahavalalanina ny zava-miseho. Tampokampoka eo, feno filazana manjo ireo tambajotran-tserasera. Ekena fa hoe, tsy misy maty tsy amin’ny lerany izany saingy tsy maintsy lasa ihany ny saina, mirohirohy […]

Matac II – MFFT ; Nisitraka fitaovana informatika ireo kaominina 21

Natolotry ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly, tetsy Anosy, ny fitaovana sy kojakoja informatika ho an’ireo kaominina, miisa 21. Tafiditra amin’ny Matac II izao fampitaovana izao. Fitaovana maoderina entina hanatsarana ny fitantanana eny anivon’ireo kaominina miiisa 21 eto Antananarivo sy ny manodidina izany natolotra izany. Nambaran’ny […]