Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Etazonia sy i Madagasikara ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny ambasadaoro mpisolo toeran’i Etazonia, i Thomas D. Bevan, teny Iavoloha, omaly. Eo ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Eo koa izay hanamafisana ireo fiaraha-miasa efa misy ireo sehatra vaovao azo hiaraha-miasa. Tonga nanao […]

Depiote Rajerison Antoine : “Tsy mipetraka sy tsy voahaja ny etika sy ideolojia politika”

“Mandeha ny resaka hoe horavana ny Antenimierampi­renena. Eo koa ny hoe hoesorina ny mpikamban’nyy birao maharitra. Hita hoe misy karazana depiote amin’izao na teo aloha sy olompirenena mivondrona manangana fikambanana na vovonana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny […]

Sabatra roa lela

Fihavanana? Tsy misy teny vahiny tena mahadika azy. Iavahan’ny Malagasy, mahasaro-piaro… Hatraiza no tena fahatakarana sy fanajana ary fiainana azy? Indrindra amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao… Zava-dehibe ny nisian’ny fihavanana na filongoa nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana tamin’ny lehiben’ny mpanohitra ary ny kestoran’ny Antenimierampirenena teo aloha, tany Ambovombe, ny faran’ny herinandro […]

Bruno Fuchs : Nandiso ny feo miely fa iraka manokana no anton-diany

Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny delegasionin’ny Antenimierampirenena frantsay. Tarihan’ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny eo anivon’ny Antenimierampirenena frantsay, i Bruno Fuchs, izany. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Masoivoho Frantsay, Amba­tomena, omaly, ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny, eo anivon’ny Anteni­mi­­erampirenena frantsay, i Bruno Fuchs. Ny anton-diany eto […]