Nihaona tamin’ny minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Edgar teto Toamasina ireo mpandraharaha vaventy amin’ny fihariana letisia. Fantatra fa hisokatra amin’ny talata 22 novambra ny fotoam-piotazana any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Efa nanomboka ny 14 novambra teo ny fikarakarana ny antontan-taratasy ho an’ireo hanangona letisia […]
Auteur/autrice : Adnews
Famonoana an-dRakotoarisoa Henri: asa an-terivozona mandrapahafaty ho an’ny olona 8, migadra 3 taona ny roa
Anisan’ny didy mafy sy mavesatra indrindra ho an’ireo meloka namono olona niaro ny tontolo iainana, no nivoaka tany amin’ny fitsarana Ambatolampy, omaly. Tsy hionona amin’izany ny fikambanana fiarahamonim-pirenena nanampy ny mpitory, ny AVG, fa mbola hitady ireo atidoha mpaniraka. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ny famonoana an-dRakotoarisoa Henri, mpitolona ara-tontolo […]
Tetibolam-panjakana 2023: hisongadina ny sosialim-bahoaka
Efa eny an-tanànan’ireo depiote ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona 2023. Hita taratra amin’izany ny fironana amin’ny Paikady enti-mampandroso (PEM). Misongadina ny fijerena ny sosialim-bahoaka sy ny fanomezana asa ary koa ny fanorenana. Eo koa anefa ny toekarena sy ny tontolo iainana. Niakatra kely ny tetibola ho an’ireo minisitera sy […]
10 taona ny tambajotra Irenala: nanohana ny fametrahana ny rafi-pampianarana LMD
Rehefa nivadika tamin’ny fampiharana ny rafi-pampianarana Licence-Master-Doctorat (LMD) ny fampianarana ambony teto amintsika, fitaovana iray tena nilaina ny fikirakirana ny nomerika. Napetraka ny taona 2012 ny Irenala, izay tambajotra anatiny mampifandray ny toeram-pampianarana ambony sy ny toeram-pikarohana sasany tantanin’ny fanjakana ahitana ny oniversite enina sy ny sekoly ambony telo IST […]
Minisiteran’ny Mponina: nahazo fanampiana ireo traboina
Nidina ifotony avy hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina, taorian’ny tranga niseho tany Farafangana tamin’ny fahamaizan’ny trano miisa 300 mahery. Tonga nanolotra sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina miisa 1 464 ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ireo mpiara-miasa aminy. Ahitana vary fotsy 10 kg miampy ireo […]