Auteur/autrice : Adnews

Varotra ivelany: jerena ny fatran’ny vanilline sy hamandoana

Nanomboka omaly 15 novambra 2022 ny fotoam-panondranana lavanila mankany ivelany. Malalaka ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana (agrément) ho amin’izany hivarotra ny vokatra amin’ireo mpividy iraisam-pirenena. Dingana maro no nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisitera misahana ny varotra (MICC) sy ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) mialoha izao fotoam-panondranana izao. Tanjona ny hisitrahan’ny […]

« Mondial 2022 »: mahalafo televiziona 25 isan’andro ny mpivarotra

Hanomboka amin’ny alahady 20 novambra ho avy izao ny lalao fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, « Mondial  2022» hatao any Qatar. Mirohotra mividy televiziona daholo ny ankamaroan’ny olona tsy mbola manana na koa manavao ny efa taloha, araka ny fanadihadiana natao teny Analakely, omaly. Manomboka efa miomana amin’izany […]

Harena an-kibon’ny tany: vonona hiara-kiasa amintsika i Japana sy India

Nandray masoivoho vaovao roa ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MEH), Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly. Noraisiny voalohany ny masoivohon’i Japana, SEM Abe Koji, niresahana ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Isan’ny voakasik’izany ny tetikasa Ambatovy, izay nahatratra […]

Hanaovana “Ody gasy”: loharan’ireo olon-dratsy ny voamason-drazana

Zava-doza no nafitsok’ireto olona efatra mianadahy, tao Vangaindrano, afakomaly. Noloharan’izy ireo, tany anaty fasam-pianakaviana ny voamason’ny razana miisa valo. Namadika azy ireo anefa ny ati-maso 16, nentina nitadiavana mpividy. Nidina ifotony avy hatrany ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena taorinan’ny fanomezam-baovao nataona olon-tsotra, afakomaly. Nilaza ny loharanom-baovao, niantso an-telefaonina fa: “Misy andian’olona […]