Nankalaza ny tolom-panafahana ka nahazoan’izy ireo ny Fahaleovantena ny firenena alzerianina, omaly, teny Ankorondrano. Manohana an’i Madagasikara hatrany izy ireo… Feno 68 taona omaly ny tolom-panafahana nataon’i Algérie ka nahazoany ny Fahaleovantena. Maro ny zavatra niainana sy nosedrain’izy ireo nahazoana izany fahafahana izany ka naharitra teo amin’ny fito taona ny tolona. […]
Auteur/autrice : Adnews
Raketa sy taretra: miaro ny tanàna tsy ho safotry ny fasika
Mihatototry ny fasika entin-drivotra ny tany ambolena sy ny trano fonenan’ny olona any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mamely rahateo ny tiomena tato ho ato ka lasibatra ny toerana maro. Manampy ny mponina hamboly taretra sy raketa, eo ambonin’ny torapasika mba hiarovana ny tanàna sy ny tanimboly, araka izany ny CRS […]
Varira manam-pahaizana: raisina ho mpiasam-panjakana
Nihaona tao Ambohijatovo, omaly, ny minisitry ny Mponina, i Soafilira Princia sy ny fikambanana varira eto Madagasikara. Nolazaina tamin’izany fa anisan’ny mponina ihany koa ny olona varira ka tsy azo ailika ary manan-jo toy ny olon-drehetra. Nihaino ny fitarainana sy ny hetahetan’izy ireo ny minisitra ka fantatra tamin’izany fa misy […]
Masoivohon’i Rosia: nisitraka fanampiana ara-tsakafo ny any atsimo
Nanolotra menaka 80 taonina ho an’ireo mpianatra any Atsimo ny fikambanana rosianina sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam), tetsy Ivandry, omaly. Mahatratra 2,1 tapitrisa ireo olona iharan’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy atsimon’ i Madagasikara. Menaka fihinana, milanja 80 taonina no natolotry […]
Chœur Miangaly: hamerina ireo hira amin’ny rindra hafa
Mpivoy ny mozika klasika, izay matetika hira fiderana no nahafantarana ny Chœur Miangaly hatramin’izay. Hivelatra kokoa izy ireo anatin’ilay fampisehoana « Chœur et couleur », izay hotontosaina ny zoma 18 novambra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny AFT Andavamamba. Tsy hira fiderana ny amin’ity indray mitoraka ity, fa […]