Auteur/autrice : Adnews

Entan-jaraina mora zaka

  Ho tanterahina any Toamasina, anio, ny filankevitry ny minisitra. Fivoriana isan-kerinandro tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Mampahatsiahy ny filankevitra mitety faritra ta­min’ny fitondran-dRatsiraka Didier sy ny praiminisitra Andrianarivo Tantely. Fanamafisana ilay faritany mizaka tena napetrany mba hanakaikezan’ny fahefana ny vahoaka. Vakilay tamin’ny fikasana hametraka ireo fanjakana federaly, hampahaleotena ny faritany, indrindra […]

Lisitra ofisialy avy amin’ny Ceni : afaka hifaninana ny ankamaroan’ireo kandidà henjana

Navoakan’ny Ceni omaly alina, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana depiote hatao ny 29 mey izao. Hanomboka tsy ho ela ny fifaninanana hifanandrinan’ireo kandidà matanjaka… Afaka hifaninana ny anka­­maroan’ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy teny anivon’ny Ovec. Anisan’izany, Razanamaha­soa Christine ao Ambatofi­nan­dra­hana, ohatra. Hifanan­drina any Ambatondrazaka kosa ny Firaisankina Tim, Razara Pierre […]

TSELATRA

Lehilahy iray maty nokapain’ny rafilahiny famaky teo amin’ny lohany tao Tsiareky, Ambovombe Androy, ny alin’ny 14 avrily teo, tamin’ny 8 ora alina. Samy sakaizan’ ilay vehivavy izy roa lahy ka niady. Nampiasa famaky ny iray ka niteraka io fatiolona io. Lezionera frantsay iray 39 taona hita faty tao Ambondrona, kaominina […]

Anjozorobe: telo mianaka nalain’ny dahalo an-keriny

Dahalo maherin’ny 20 lahy nitam-piadiana naka takalonaina tao Anjozorobe, afakomaly alina. Olona telo nalain’izy ireo ka ankizivavy ny iray. Tsy mety tapitra, ankizivavy sy renim-pianakaviana iray 32 taona niampy lehilahy iray indray nalain’ny dahalo an-keriny tao Fieferana, akaikin’ Antanandava, kaominina Ma­rovazaha, distrika Anjozorobe, afakomaly alina. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, maherin’ny […]

Voatondro ho mpangalatra : lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray nangalatra matin’ny fitsaram-bahoaka tao Analamanga, fokontany Ankiririky avaratra, kaominina Antsohihy, afakomaly alina. Nokarohin’ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny trano voalaza ho fonenany io lehilahy io. Niafina tao ambany fandriana izy ka nasaina nivoaka hifampiresahana milamina. Teo am-panatontosana ny resaka, naka antsy lavalela tampoka izy. Nokasaina hofiraina tamin’ny antsy ireo tovolahy […]