Mba tsy hisian’ny lesoka toy ny tamin’ny taon-dasa, amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana bakalorea amin’ity taona ity, nisy ny atrikasa niarahan’ireo herivelona rehetra manana andraikitra amin’izany. Nampahafantarina nandritra izany ny andraikitry ny tsirairay, mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana, izay voarakitra ao anaty rindran-kevitra, « Manuel de procédure relatif à l’organisation et […]
Auteur/autrice : Adnews
Famarinana olona : mijoro ny filankevitry ny manam-pahaizana
Ezaka fiaraha-miasa iray mikendry ny hiadiana amin’ny fanararaotana ara-nofo sy fitrandrahana mamoafady amin’ny internet (OCSEA) no nametrahana ny filankevitry ny manam-pahaizana. Tafiditra ao anatin’ny Drafitrasa hampitsaharana ny famarinana olona maneran-tany izany. Nampiantso ny fivoriana voalohan’ity filankevitry ny manam-pahaizana ity ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina sy ny […]
Fanofanana faobe : tanora 85 mahafehy ny taotrano sy ny asa vaventy
Hetsika roa sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, omaly. Samy mifototra amin’ny taotrano sy ny asa vaventy avokoa ireo. Notolorana ny taratasy manamarina ny fahavitan’ny fiofanana momba ny fananganan-trano sy ny asa vaventy ny tanora 85, lahy sy vavy, avy amin’ny faritra rehetra tonga niatrika […]
TARATRY ny KANTO
Faha-202 taona nanapahan-doha an-dRatsitantanina. Hisy tetikasa dimy mbola hotanterahina, anatin’ny hetsika fahatsiarovana. Voalohany ny fananganana tranombakoka eny Ambohitsararay, Sabotsy Namehana. Eo koa anefa ny fananganana trano roa any Maorisy, ka ny iray “case créole” hampirantina ny fiainan-dRatsitantanina. Miverina ny Sokaf’hehy, hampiakaran-tsehatra ireo manan-talenta. Amin’ny alalan’ny fanehoana ireo karazana fampihomehezana eto […]
Tropy Ilo: holalaovina an-tsehatra indray ny « Mose Lemera »
Taona 2023, feno ny toerana. Maro ny fangatahana ny hamerenana ny filalaovana an-tsehatra ilay tantara «Mose Lemera»… Namaly izany ny tropy Ilo ka ny alahady 28 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy 30mn, ao amin’ny Ivokolo (Cemdlac taloha) Analakely, efitrano malalaka Charles Ravaloson no hilalaovan-dry zareo izany an-tsehatra indray. […]




