Maromaro ireo tsy nahafeno ny fepetra. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa misy ireo kandidà tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy firotsahany. Mbola manana fe-potoana hatramin’ny anio anefa izy ireo. Miisa 46 ireo dosie an’ireo kandidà tsy ara-dalàna manerana ny Nosy, voarain’ny eo anivon’ny Ceni hatramin’ny faran’ny herinandro teo. “Tsy nahaloa ilay anto-bola […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Nitrangana lozam-piarakodia indray teny Andoharanofotsy, ny sabotsy hariva teo. Fiarabe mpitatitra entana no tapaka hisatra raha iny hidina amin’ny lalana Malaza ho any Andoharanofotsy ampitan’ny CSB II iny. Ankizikely iray voafaoka ka naratra mafy. Tsy vitan’izay fa nanitsy tany amin’ny sisin’arabe ilay fiara ka nifatratra tamina tranon’olona iray amin’ny sisin-dalana.
Tena ilaina ny helikoptera : miady irery ny miaramila an-tanety
Amin’izao fotoana izao, efa hita taratra ny misy ny jiolahy rehetra ho mpanatanteraka ny fakana an-keriny ao Ankazobe. Azo lazaina fa efa voageja anaty faritra iray tsy ahafahana mivoaka izy ireo. Hatramin’ny olona miafina aty an-drenivohitra aza, tokony efa ho tratra. Olana anefa, tena sahirana ny ekipa mpanao hetsika fampandrian-tany […]
Toliara : jiolahy niditra an-keriny tao am-piangonana
Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Toliara rehefa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amina trano fiangonana iray ao Tsianaloka, ny sabotsy teo, ny jiolahy iray. Mbola tao anatin’ny fotoam-pivavahana ireo mpino ao amin’io fiangonana io no niditra tampoka ity jiolahy ity. Namoaka basy izy ka namantana teny amin’ny alitara nisy ilay […]
Nisera merkiora : pasitera nisoloky 70 tapitrisa Ariary
Pasitera iray eto Antananarivo no hiakatra fampanoavana, anio, noho ny aferana merkiora sy fisolokiana vola mitentina 70 tapitrisa Ar. Nitaraina tany amin’ny ambaratongan-drafitra, araka izany, ireo biraom-piangonana. Naato nandritra ny roa volana ilay pasitera, ny volana novambra sy desambra teo, saingy mbola niverina nampivavaka indray nanomboka ny volana janoary. Tsy […]




