Nanenina ny tsy tonga, raha tena mpankafy. Soa fa mbola hisy ny seho manaraka hataon’i Erick Manana eto an-tanindrazana amin’ity taona ity. Seho feno fihetseham-po tanteraka! Nafana ny fiarahan’ny tia sy ny manina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Na dia fotoana fohy fotsiny aza no nanambaran’i Erick Manana fa handalo an-tanindrazana […]
Auteur/autrice : Adnews
Vidim-piainana : mitohy ny sondro-bidy andavanandro
Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana manerana ny Nosy, nanomboka ny taona 2014 hatramin’izao 2024 izao, raha raisina ny 10 taona farany. Mitohy hatrany ny sondro-bidy amin’ny fiainana andavanandro. Raha tsorina ny atao hoe fiakaran’ny vidim-piainana (inflation) eto, fitomboan’ny vidin-javatra ilaina andavanandro eo amin’ny fanjifana azy (Indice des prix à la consommation). Azo adika fitomboan’ny vola miasa koa […]
FANTINA sy FINTINA
Hamafisina ny fiambenana ny fonja amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, araka ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, nitsidika tany Miandrivazo. Notolorany karatra fanarahan-draharaha sy fitaovana informatika ho an’ny fitsarana koa ny any an-toerana. Nisitraka lalankely rarivato ny eny Ambodivona sy Ambohimanandray Ambohimanarina, araka ny fangatahan’ny mponina tamin’ny […]
Antoko RDS: «Tandindomin-doza ny fototra iorenan’ny demokrasia»
“Tsy afa-nanolotra kandidà ho solombavambahoaka kasaina hatao amin’ny volana mey 2024 ho avy izao izahay. Anisan’ny antony ny sakantsakana ara-bola toy ny fampiakarana natao tery vay manta ny anto-bola firotsahan-kofidina napetraky ny mpitondra ankehitriny”, hoy ny fanambaran’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), nosoniavin’ny filohany, Rakoto Andrianirina Fetison, nampitainy […]
Hevitra no ampiadiana
Fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Fampielezana hevitra fa tsy vola, zavatra, fampisehoana… Hevitra izany no miady sy ampiadiana. Mby aiza? Raha ny marina efa tokony hiditra lalina amin’izany ireo mpirotsa-kofidina ny amin’izay antony irotsahany, izay karazana tolo-dalàna harosony, izay handreseny lahatra ny fahefana mpanatanteraka amin’izay asa andrasan’ny vahoaka aminy… […]




