Auteur/autrice : Adnews

Sekolim-panjakana : hisy bakalorea andrana amin’ny mey

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana ny tomponandraikitry ny lycée Rabearivelo amin’izao telovolana fahatelo izao. « Mamita ny fandaharam-pianarana ny kilasy rehetra ary mampiasa polycopies ny mpampianatra hanafainganana ny asa, indrindra ho an’ny kilasy famaranana », hoy ny talen’ny lycée. Misy ny bakalorea andrana iraisan’ny lycée miankina amin’ny fanjakana rehefa […]

Fahasalamana ; avy amin’ny biby ny 95% ny aretina mahazo ny olombelona

Ambana ho an’ny fahasalaman’ny olombelona ny aretina azo avy amin’ny biby ka mila sorohana. Apetraka eto Madagasikara ny ivontoerana ho an’ny hamehana hiadina amin’ny aretin’ny biby. Mifanerasera betsaka amin’ny olombelona ny biby. Ao ireo atao sakafo, misy ny ompiana, izany hoe, misy fifampifandraisana hatrany ny roa tonta. Avy amin’ny biby […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo fitaovana ireo kaominina any Andapa

Nisitraka fitaovana informatika, toy ny ordinatera sy “Panneaux solaires” avy amin’ ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, ireo kaominina miisa 13 any amin’ny distri­kan’Andapa. Notanterahina omaly, tany Sambava, ny fa­nolorana izany mba hahafahan’ireo ben’ny Tanàna mampiasa tanteraka ny drafitra fanajariana “Schéma d’aménagement communal – Sac”. Hitohy amin’ny […]

Pôle stage Madagascar (PSM): hofanina ny tanora hanana hoavy mamiratra

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny hampamiratra ny hoavin’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Ni­sokatra nanomboka omaly ny fiofanana arakasa andiany fahenina anatin’ilay fandaharanasa Pôle stage Madagas­car (PSM). Fampiofanana iarahan’ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (SIM) ary ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa (FOP), […]

Fandraharahana: laharana voalohany i Madagasikara

Maro ireo tanora liana sy misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Manodidina ny 19,5% ny tahan’ny asa fandraharahana (activité entrepreneuriale) eto Madagasikara, mametraka ny firenena amin’ny laharana fahavalo maneran-tany, voalohany kosa amin’ireo firenena ambany fidiram-bola, ny taona 2020. Firenena mavitrika amin’ny famoronana orinasa i Mada­gasi­kara. Mano­didina ny 19,6% ny tahan’ny […]