Toy ny mahazatra ny Malagasy, izay tsy manao zavatra raha tsy ampotomoty sy miandry amin’ny ora farany dia nihazakazahana ny fanaterana antontan-taratasy filatsaha-kofidina, omaly. Nanaitra ny nahita ny kandidàm-panjakana. Ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta no lohalisitra any amin’ny faritra niavian’izy ireo. Inona no antony? Samy manana ny paikady politikany […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifidianana depiote: maromaro ireo mpanao gazety sy mpanakanto kandidà
Anisan’ireo eo hatrany ny mpanao gazety sy ny mpanakanto amin’ny fifidianana depiote. Maromaro izy ireo hatramin’ny fotoana farany, omaly, no nametraka ny taratasy filatsahan-kofidina. Eo koa anefa ireo misehatra amin’ny asa hafa. Anisan’ny mpanao gazety ho kandidàn’ny Irmar i Fetra Rakotondrasoa any Miarinarivo, raha any Ambatondrazaka i “Del kely”. Etsy […]
TSELATRA
Naratra nendahin’ny jiolahy ny mpivady nanao fanatanjahantena vao maraina teny By-Pass, omaly vao maraina. Mody nanao fanatanjahantena ihany koa ireo jiolahy roa nanaraka azy mivady avy ao aoriana. Naratra teo amin’ny lohany samy voadaroka izy mivady. Lasan’ireo mpanafika ny finday teny amin’izy ireo. Lasan’ny jiolahy ny volan’ny renim-pianakaviana iray saika […]
Fifandonana mahery vaika : dahalo telo lavo, omby 50 tafaverina
Nirefodrefotra ny basy! Dahalo telo maty ary telo naratra vokatry ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny kaominina Mahabe, distrikan’i Besalampy, afakomaly. Nanafika tao amin’ny fokontany Andabozato ny dahalo 40 lahy nitam-piadiana. Norobain’izy ireo ny omby 50 ka nentiny nandositra. Nanara-dia nanao izay ho afany nanenjika ireo mpandroba ny fokonolona sy […]
Itaosy: vehivavy roa nahatrarana rongony
Mpivarotra rongony roa vavy nosamborin’ny polisy teny Itaosy nandritra ny hetsika “Sarika”, ny faran’ny herinandro teo. Nanao be midina ny polisy ka sarona teo am-pikirakirana zava-mahadomelina izy roa ireo. Efa nataony anaty fonosana 42 ny rongony. Ankoatra io, nahatrarana rongony tao anaty harona miisa telo koa tao amin’izy mirahavavy ireo. […]




