Auteur/autrice : Adnews

Hanatsarana ny fahasalamana: nahazo fitaovana ara-teknika avy amin’i Japon ny IFIRP

Nanolotra fitaovana ara-teknika ho an’ny Instituts de formation interrégionaux des paramédicaux (IFIRP) ny ma­soivohon’i Japon, omaly. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa fanarenana sy fampivoarana ny lafiny ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara izany. Tetikasa vatsian’ny Fonds de contre-valeur Japo­naise. Haparitaka amin’ireo ivontoerana enina manerana ny Nosy ireo fitaovana rehetra ireo. Anisan’izany, ny […]

Minisiteran’ny Mponina: manasongadina ny tantaram-pahombiazana ireo fikambanana

Efa hita ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny minisiteran’ny Mponina ireo horonantsary mirakitra tantaram-pa­hombiazana hanaovan’ireo ve­hivavy sy fikambanana fifaninanana. Efa mandeha ny fifidianana izany ka izay mendrika no hisitraka ny loka efa voafantina. 47 ireo fikambanam-behivavy na olon-tsotra nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Horonantsary 2 minitra mitantara ny fahombiazana, ho fitaratra ho an’ny hafa […]

Fiovan’ny toetr’andro : nampirongatra aretina 20 vaovao

Misy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fiovan’ny toetr’andro miseho eto amintsika. Nisehatra tamin’izay ny fandaharanasa PAGE /GIZ, efa nanomboka tamin’ny dingana voalohany. Nampahafantatra ny aretina enina mety hirongatra vokatr’izany izy ireo: ny tazo, pesta, fivalanana, aretina azo avy amin’ny fihinanana hazandranomasina, areti-tratra (IRA) ary ny tsy fanjarian-tsakafo, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry […]

Fampahafantarana ny voka-pikarohana : hanangana vovonana niomerika ny oniversitem-panjakana

Olana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fahafantarana ny voka-pikarohana mivoaka eny amin’ny oniversitem-panjakana. Hanampy betsaka izany ny fananganana ny vovonana niomerika. Nifarana omaly, tetsy Andrainarivo, ny atrikasa nataon’ireo mpisehatra amin’ny fikarohana eny anivon’ny Oniversiten’Antana­na­rivo. Tafiditra ao anatin’ny atrikasa ny hananganana sy ha­namboarana vovonana niomerika mahakasika ny fikarohana. “Tanjona ny hanamorana […]

INDRAY MIJERY

Tanjon’ny hetsika fanapariahana ny fandrindram-piterahana maoderina ny hampiakatra ny tahan’ny fampiasana azy io ho 60% hatramin’ny taona 2030, eto amintsika. Tao anatin’ny 100 andro, vehivavy 3 tapitrisa mahery no mampiasa tsy tapaka ny fomba maoderina. An’arivony ny mpiandraikitra tanora nahazo fiofanana ahazoan’izy ireo mizara ny fanentanana. Nandritra ny hateloana ny […]