Auteur/autrice : Adnews

Fetin’ny Paka : ahina ny fiforonana rivodoza

Mampanahy ny mety ho fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny faramparan’ny herinandro, hankalazana ny fetin’ny Paka, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hiverin-dalana hizotra hianatsimo atsinanana ilay tangoron-drahona mitoetra ao an-dranomasina manomboka ny alarobia na ny alakamisy ka hiha tomombana kokoa ny tontolo hivoarany. Hitombo, araka izany, […]

Miakatra ny rano ao Taolagnaro : 400 mahery ireo traboina, amin’ny toeram-pandraisana telo

Nijojo tao anatin’ny teo andro ny orana tany Taolagnaro ka nampiakatra ny rano tao an-tanàna. Voatery nafindra toerana ny mponina sasany ary efa nandray andraikitra ireo solontenam-panjakana any an-toerana. “Vokatry ny rotsakorana be tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro nandritra ny telo andro, niakatra ny rano ka maro ny tanàna dibo-drano”, hoy […]

Tetikasa « Seeed »: Hanohana ny tontolon’ny fandraharahana

Manofana mpandraharaha ho an’ny asa mendrika eto Madagasikara ny tetikasa « Seeed ». Ankehitriny, miisa 85 ireo rafitra naneho ny fahavononany ka laharam-pahamehana ireo miantsehatra eny amin’ny tontolo ambanivohitra, ireo manohana ny mpandraharaha vehivavy sy manana faha­sembanana. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny Antanimena, ny tetikasa « Seeed […]