Auteur/autrice : Adnews

Train urbain : hivadika train électrique amin’ny taona 2025

Andrasana amin’ny taona ho avy ny fandehanan’ny train urbain izay ho lasa ho train électique, izany hoe, handeha amin’ny herinaratra. Efa an-dalana kosa ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fampandehanana ny tetikasa. Antony tsy hahatrarana ny fe-potoana voalaza teo aloha tokony hampiasana ity zotram-pitanterana ity. «Anatin’ny fanafarana ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny mpampiasa vola vahiny amin’ny fizahantany vonona ny handraharaha eto Madagasikara. Toerana 15 no efa hita azo hananganana fotodrafitrasa an’ny fanjakana na koa tsy miankina. Vondrona fandraisam-bahiny lehibe 7 ihany koa no efa nilaza fa liana ho eto amintsika. Anisan’ny paikady hampiroboroboana ny fizahantany avokoa ireo. Hapetraka ny […]

Morondava: manana ny anjara toerany ny rano

Nankalazaina omaly 22 marsa, tany Morondava, ny Andro maneran-tany ho an’ny rano. Lohahevitra noraisina ny hoe « Rano antoky ny filaminana ». Mikendry ny hanasongadinana ny anjara asa lehiben’ny rano amin’ny fampiroboroboana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ny fiaraha-miasa ary ny fampandrosoana maharitra. Nitarika ny fotoana, tany Morondava, ny minisitry […]

Fiompiana trondro: hatao fivelomana andavanandro ho an’ny isam-pianakaviana

Anisan’ny paikady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro. Azo atao ny manatanteraka azy, na amin’ny toerana tery eny an-tokotany aza. Vitsy ny misehatra amin’ny fiompiana trondro eto amintsika. Nitsidika ny Foibe fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) eny Ampandrianomby, ny minisi­try ny Jono sy ny toekarena […]