Milahatra mividy fanafody gripa avokoa ny ankamaroan’ny olona, eto an-drenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra teny amin’ireo trano fivarotam-panafody “Pharmacie”, izany. Araka ny fanadihadiana natao, ireo fanafody mampitombo hery fiarovana sy izay mampidina hafanana no tena mandeha sy tadiavin’ireo mpanjifa. Nilaza ny dokotera fa mirongatra tanteraka ny gripa eto amintsika ankehitriny, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fokontany IIIG Hangar : nohazavaina ny elakela-trano
Nidina teny amin’ny fokontany IIIG Hangar ny solombavambahoaka, voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany, Dimbindraibe Ratafika, ny faran’ny herinandro teo, nijery akaiky ny fiainam-bahoaka eny an-toerana. Tsikaritra tamin’izany fa maizina ny tanàna ka nitondra fahazavana tamin’ireo elakela-trano izay tena fandehanan’ny mponina ny tenany. Anjakan’ny tsy fandriampahalemana, noho izany haizina izany teny […]
Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: nahazo fitaovana avy amin’ny masoivohon’i Frantsa
Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny masoivohon’i Frantsa, omaly. Notanterahina teny anivon’ny IFNP Mahamasina izany. Nahitana fitaovana maro toy ny valizy misy “tablette” 24, ordinatera, video-projecteur, fihainoana, clés USB ary indrindra “edbox” miisa 140. Hisitraka izany ny ivontoeram-panabeazana Lycée anatin’ny faritra 12 manerana ny Nosy raha ny fanazavan’ny […]
Fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo : nampitombo ny hantsana eo amin’ny sahirana sy ny manan-katao
Nanomboka ny taona 1961 ka hatramin’ny 2020, nitombo 1,2°C ny maripana ankapobeny eto Antananarivo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Météo Malagasy ary nidina hatramin’ny 300 mm ny refin’ny rotsak’orana. Tsapa fa efa misy fiantraikany eto an-dRenivohitra ny fiovan’ny toetr’andro ary tsy voafehin’ny mponina. Nanontaniana ny fiovan’ny toetr’andro, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny […]
Mondial Qatar 2022 : fanomanana lafo indrindra : 220 miliara dolara
Tsiahivina fa betsaka ny fanomanana ara-toekarena tany Qatar nialoha ny fandraisana ny lalao eran-tany teo amin’ny baolina kitra 2022. Fanamboarana kianja, hotely fandraisam-bahiny, seranam-piaramanidina, fotodrafitrasa maro hafa. Nanomboka tamin’ny 2012 ny fanomanana fandraisana ny Amboara eran-tany farany teo, ka nandanian’ny fanjakana arabo any Qatar 220 miliara dolara izany tamin’ny fanamboarana […]